Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara

Daty
Alakamisy 25 December 2025

TSARA FIAFARA

Vakio Ireo teny famaranana ny bokin'i Josoa Izay nosoratan'ny mpanoratra iray nahazo tsindrimandry avy amin' Andriamanitra (Jos. 24:29-33). Sady miłodika mijery ny flainan'i Josoa tamin'ny lasa ireo teny ireo no mibanjina ny hoavy koa; amin'ny fomba ahoana?

Teny mampisaintsaina no entin'ny fehin-tantara mamarana ny bokin'i Josoa, amin'ny fitaterana ny fahafatesan'i Josoa sy i Eleazara mpisoronabe. Mampitaha ny fiainana tany ivelan'ny tany Kanana sy ny fiandohan'ny fiainana ao amin'ilay tany ny mpanoratra raha mitantara ny fandevenana an'i Josoa sy ny fandevenana an'i Eleazara ary ny fandevenana ny taolan'i Josefa. Tsy hirenireny intsony ny Isiraely, ary tsy hitondra intsony ny taolambalon'ireo mpitarika azy any amin'izay alehany. Tany anaty zohy no nandevenan'ireo patriarka ny havan-liany (Gen. 23:13,19; Gen. 25:9,10) tao amin'ny tany iray novidina tany Sekema (Gen. 33:19). Ankehitriny dia mandevina ny mpitarika azy ao amin'ny faritry ny lovany izy ireo; midika ho fitoerana maharitra izany. Efa tanteraka izao ireo teny fikasana nomena ireo patriarka. Ny fahatokian'i Jehovah no kofehy ara-tantara mampifandray ny taranak'Isiraely amin'ny fiainan'izy ireo ankehitriny sy amin'ny hoavy.

Ireo paragrafy farany ao amin'ilay boky no mampifandray ny fitambaran'ny tantara manontolo amin'ny tantara mivelatra kokoa tamin'ny lasa; manokatra lalana ho an'ny hoavy koa anefa izany. Nambaran'ny arsevekan'i Canterbury taloha, George Cary, tao anatin'ny lahateniny tao amin'ny fiangonana Holy Trinity any Shrewsbury fa "taranaka iray sisa dia tsy hisy intsony" ny fiangonana anglikanina.

Raha ny marina, dia tandindomin-doza mandrakariva ny ho fongana ny fiangonana, ary efa tahaka izany tamin'ny andron'ireo vahoakan'Andriamanitra tao amin'ny TT. Efa hifarana izao ny toko iray manan-danja eo amin'ny tantaran'ny Isiraely. Miankina amin'ny valinteny asetrin'izy ireo ny fanontaniana maro mifandraika amin'ny hoavy ny hoaviny. Ho mahatoky amin'i Jehôvah ve ny Isiraely? Ho vitan izy ireo ve ny hanohy ny asa tsy vita amin'ny fakana ny tany Kanana manontolo? Moa ve izy ireo hahay hifikitra amin'i Yahweh ka tsy hivily hanaraka ny fanompoan-tsampy? Nahatoky tamin'i Jehôvah ny taranaka teo ambany fitarihan'i Josoa, saingy handeha eo amin'ny lalana ara-panahy efa nosoritan'io mpitarika lehibe io harahiny ve ny taranaka manaraka? Tsy maintsy miatrika ireo fanontaniana ireo ny taranaky ny vahoakan'Andriamanitra rehetra mifandimby, izay mamaky ny bokin'i Josoa. Ny fahombiazan'izy ireo dia miankina amin'ny toetry ny valinteny asetriny izany eo amin'ny fiainany andavanandro sy ny fitondrantenan'izy ireo manoloana ireo fahamarinana nolovainy.

I Josoa dia "niady ny ady tsara" 2 Tim. 4:7, tahaka an'i Paoly. Inona no tsiambaratelon'ny fahombiazan'i Josoa? Inona no fanapahan-kevitra tokony horaisinao anio, mba hanananao antoka tahaka azy koa ny amin'ny famonjena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: - Ny fotoana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal