Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana

Daty
Alatsinainy 23 June 2025

Nanana hafatra manokana ho an'ny vahoakan'i Ninive i Jôna. "Ary Jôna niantomboka nandeha tao an-tanána lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive." Jôna 3:4. Mazava ny toe-javatra eto: voaheloka ilay tanàna. Moa ve izany tsy teny nambaran'ny mpaminanin'i Jehôvah mazava? Inona anefa no nitranga tamin'i Ninive?

Vakio ny Jona 3:5-10. Nahoana no tsy tanteraka indray ilay faminaniana?

Eny tokoa, ilay tanana iray manontolo no nibebaka ka tsy nahatra taminy ny valin'ny fitsarana azy, farafahakeliny nandritra ny fotoana voafetra. "Koa namindra fo tamin'izy ireo Izy. Nankalazaina sy nomem-boninahitra teo amin'ny mpanompo sampy rehetra ny Andriamanitry ny Isiraely, ary nohajaina ny Lalány. Nampalahelo anefa, fa fotoana kely taorian'izany toe-javatra izany, dia lasa rembin'ny firenena manodidina azy i Ninive, fa nanadino an'i Jehôvah izy ka nandeha tamin'ny fiavonavonana." - MM, t. 227.

Azontsika atao ve ny miandry ny hisehoan'ny toy izany amin'ny andro farany, manoloana ny hafatra farany izay hotorina amin'izao tontolo izao lavo? Sady eny no tsia no valin'izany? Izany hoe, marobe ny olona maneran-tany izay handre ny antso hoe: "Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy." - Apôk. 18:4. Manerana izao tontolo izao, dia maro ny olona hisafidy ny hanohitra ilay bibidia ka "mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy." - Apôk. 14:12. Tsy hianjera amin'ireny olona ireny, tahaka ireo olona tao Ninive, ny fitsarana hihatra amin'ireo izay very.

Etsy ankilan'izany, ny faminaniana sasany, tahaka ny fanambaran' Andriamanitra momba ny handravana an'i Ninive, dia misy fepetra; horavana ny tanána raha tsy miala amin'ny ratsy ireo vahoaka ireo (jereo ny Jer. 18:7-10). Misy anefa ireo faminaniana izay tsy misy fepetra manaraka azy, tsy maintsy ho tanteraka ireny na inona na inona valiny asetrin'ny olona azy. Tsy misy fepetra ny faminaniana mifandraika amin'ny fiavian'i Kristy voalohany sy faharoa, ny mariky ny bibidia, ny firotsahan'ireo loza, ny fanenjehana amin'ny andro farany; tsy maintsy hitranga ireo na inona na inona ataon'ny olombelona. Ny asa sy ny safidy ataon'ny olona kosa no hamaritra ny toerana hisy azy rehefa tonga ireo toe-javatra farany izay nambaran'ny mpaminany mialoha.

Inona no safidy ataonao ankehitriny izay mety hamaritra ireo safidy hataonao rehefa asaina mifidy ny hiankohoka amin'Andriamanitra na amin'ny sarin'ny bibidia izao tontolo Izao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal