Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.

Daty
Alatsinainy 22 September 2025

NY FANATITRA SY NY FANAHY MASINA

Vaklo ny Eks. 35:4-36:7. Inona ny lesona lehibe voalaza eto ho antsika ankehitriny?

Nila akora sarobidy maro isan-karazany ny fanorenana ny tabernakely, ary ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana avy amin'ny vahoakanı'Andriamanitra no nahavitana izany. Fanomezana avy amin'ny fon'izy ireo izany, nomeny an-tsitrapo sy tamim-pifaliana, Volamena, volafotsy, varahina, lamba rongony fotsy madinika, vatosoa sarobidy, lamba manokana tsy misy mpanana, hazo akasia, menaka oliva, zava-manitra, ary zavatra maro hafa nilaina, no nomen'izy ireo. Nanao asa tanana maimaimpoana koa ny olona, satria nisy fanaka manokana maro nilaina notefena araka ny fahaiza-manaony kanto sy feno fitandremana, teo amin'ny lay na ny fanaka tao anatiny. Ary tsy maintsy nanenona akanjo ho an'ny mpisorona sy ny mpisoronabe koa, izay hanao fanompcana ao amin'ny tabernakely, ireo mpanjaitra. Akanjo feno tsipirian-javatra izany; misy saron-tratra ny akanjon'ny mpisoronabe, ary nasiana hamama teo an-dohany.

Fitahiana lehibe no narotsak'Andriamanitra tamin'ny Isiraelita tamin'ny alalan ireo fanomezana nomen'ny Egyptianina azy, teo am-piaingany hiala ny tany Egypta. Tonga izao ny fotoana hanoloran'izy ireo fanati-pisaorana noho nitondran Andriamanitra azy tamim-pamindrampo sy sandry mahery, ary voahetsika ny fon'izy ireo hanatanteraka io asa io ho voninahitr'Andriamanitra.

Nanolotra tamin-kafaliana sy fahalalahan-tanana tokoa ny olona, hany ka nilazana i Mosesy hoe: "Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana" Eks. 36:5. Koa tsy maintsy nampitsahatra ny fanomezan'ireo i Mosesy, satria "ny zavatra efa nateriny dia ampy hanaovana ny asa rehetra" tamin'ny fanorenana ny tabernakely." - Eks. 36:7.

Tamin'ny alalan'ny fitarihan'ny Fanahy Masina no nanomezan Andriamanitra fitaovana sy hery ny olona, hahaizany manorina tsara ny tabernakely araka ny tsipiriany rehetra. "Efa nofenoina ny Fanahin'Andriamanitra (...)" - Eks. 35:31 i Bezalila sy i Ohollaba ary ny hafa, izay midika fa nomena fahaizana, fahendrena ary fahalalana amin'ny lafiny zava-kanto izy ireo mba hanaovana ny asa rehetra araka ny tokony ho izy. Tetikasa goavana izany ary tsy maintsy notanterahina araka ny modely nasehon Andriamanitra an'i Mosesy.

Zava-dehibe ny hoe: nifandray tamin'ny fanomezana ny Fanahy Masina ny fahaiza-manao sy ny talenta samihafa nananan'ny olona, izay nila nampiasaina tamin'ny fanorenana ny tabernakely. Tsy resaka majika tsy akory ny famenoana Fanahy Masina ny olona, ary tsy midika izany fa misy hery ara-panahy manokana ao anatin'ny olombelona. Ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra sy hahatanteraka ny iraka nampanaovina azy ireo, dia Andriamanitra no manome hery ny mpanara-dia Azy hanatrarana ny tanjony sy hanaovana tsara ny asa.

Inona avy Ireo fanomezam-pahasoavana noraisinao reheta nofenoina ny Fanahy Masina ianao? Tsarovy fa mety hiroborobo ny fanomezam-pahasoavana reheta kolokolaintsika eo amin'ny flainantsika ireo vokatry ny Fanahy (Gal. 5:22,23).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal