Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray

Daty
Alahady 05 October 2025

FAMINDRAMPO INDRAY

Vakio ny Jos. 2:1, Nom. 13:1,2,25-28,33 sy ny Nom. 14:1-12. Nahoana i Josoa no naniraka mpisafo tany roa ho fanombohana ny fanatanterahany ilay iraka mba haka ny tany Kanana?

"Shittim", ao amin'ny lahatsoratra hebreo, no anaran'ilay toerana niaingan'ireo mpisafo tany roa nirahina, ary mampahatsiahy antsika tranga ratsy roa teo amin'ny tantaran'ny Isiraely izany.

Ny voalohany dia tantarana mpisafo tany roa hafa (jereo ny Nom. 13) izay ahitana singa manan-danja mitovy: ny fanirahana ny mpisafo tany, ny fidiran'izy ireo miafina tao amin'ny faritanin'ny fahavalo, ny fiverenany, ny tatitra nataony momba ny zavatra hitany, ary ny fanapahan-kevitra hanao zavatra araka izany tatitra izany.

Ny tranga faharoa tao Sitima no anisan'ny nanehoan'ny Isiraelita fihetsika feno fikomiana sy fanompoan-tsampy indrindra tamin'ny nandikany ny fanekena, rehefa notarihin'i Balama, ka nijangajangany tamin'ny vehivavy Moabita sy niankohofany tamin'ny andriamanitr'izy ireo (Nom. 25:1-3; Nom. 31:16). Tao anatin'izany tontolon-kevitra izany dia nanjary niteraka fitaintainana ny amin'ny ho tohin'ny tantara manontolo ny anarana hoe Sitima. Tsy fahombiazana indray ve no hitranga eo an-tsisin-tanin'ny Tany Nampanantenaina? Sa ho tanteraka ve ilay teny fikasana efa nandrasana ela?

Vakio ny Jao. 18:16-18,25-27, sy ny Jao. 21:15-19. Inona no fitoviana hitanao eo amin'ny famindram-po nomena ny Isiraely amin'ny maha-firenena azy sy ny nomena an'i Petera amin'ny maha-olon-tokana azy?

Andriamanitry ny famindrampo tokoa Andriamanitra. "Fahasoavana" no ilazan'ny Baiboly izany famindrampo izany. Ny atao hoe fahasoavana dia tsotra: ny mandray izay tsy mendrika ny tena akory (ampitahao amin'ny Rôm. 5:2; Efes. 2:8; Rôm. 11:6). Manome maimaimpoana fiaingana vaovao ho an'ny olona tsirairay Andriamanitra (Tit. 2:11-14). Nanandrana io fahasoavana io i Petera, ary niantso ny fiangonana mba hitombo amin'ny fahasoavana (2 Pet. 3:18). Ity aza no tena vaovao mahafaly: tsy indray mandeha Andriamanitra no mamindra fo fa imbetsaka! (Raha tsy izany, inona no mety ho efa nanjo antsika?)

Diniho ny fanandramana niainan'ny Isiraelita rehefa nomena fahafahana fanindroany hiditra ny tany Kanana izy ireo, ary koa ny tahasoavana naseho an'i Petera rehefa nandà ny Tompony izy. Inona no tokony hampianarin'izany antsika ny amin'ny tokony hanehoantsika fahasoavana ho an'izay mila izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal