Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 10 January 2025

Vakio ny "Fivavahana sy Fiderana", toko faha-11 ao amin'ny DHK.

"Ento mandrakariva eo anoloan'Andriamanitra ny ilainao, ny fifalianao, ny fahorianao, ny fanahianao, ny tahotrao. Tsy hahasasatra na hahavalaka Azy ny anaovanao izany. Tsy hanao tsinontsinona izay ilain'ny zanany Ilay mahay manisa ny volon-dohanao. 'Miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po'- Jak. 5:11. Ny fony feno fitiavana dia mangoraka noho ny fahoriantsika, eny, na dia noho ny fitantarantsika ireny aza. Ento eo Aminy ny zavatra rehetra manahirana ny saina. Tsy misy zavatra mavesatra loatra ka tsy ho zakany, satria Izy no mitana izao tontolo izao, Izy no manapaka ny raharaha rehetra amin'izao tontolo izao. Tsy misy na inona na inona izay momba ny fiadanantsika azo atao hoe kely loatra ka tsy ho hitany. Tsy misy toko ao amin'ny zava-mihatra amintsika azo atao hoe maizina loatra, ka tsy ho voavakiny; tsy misy zava-tsarotra manahirana loatra, ka tsy ho hainy hazavaina. Tsy misy loza mahazo mihatra na dia amin'izay kely indrindra amin'ny zanany aza, tsy misy tebiteby mampijaly ny fanahy, tsy misy fifaliana mahamiramirana, tsy misy fivavahana marina navoaky ny vava, izay tsy voadiniky ny Raintsika Izay any an-danitra, na tsy nanaitra Azy niaraka tamin izay.

"Mahasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny feriny Sal. 147:3. Ny firaisan Andriamanitra sy ny fanahy tsirairay avy dia miavaka sady feno indrindra ohatra ny tsy nisy afa-tsy iny fanahy iny no nanomezany ny Zanany malalany." - DHK, tt. 114, 115 (ed. 2018).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra:

1. Saintsaino ny fehezanteny teo ambony hoe: "Ny firaisan'Andriamanitra sy ny fanahy tsirairay avy dia miavaka sady feno indrindra ohatra ny tsy nisy sy afa-tsy iny fanahy iny no nanomezany ny Zanany malalany." Inona ny fampaherezana atolotr'izany ho anao, ary manao ahoana no tokony ho fiainanao noho ny fahafantaranao fa akaiky anao Andriamanitra ary miahy anao? Ahoana no hianaranao miaina ny fahamarinan'izany teny fikasana mahafinaritra izany? Alao sary an-tsaina hoe tena mino izany marimarina ianao isan'andro.

2. Raha ampifandraisina amin'ny lesona tamin'ity herinandro ity, ahoana ny fahatakaranao ny Sal. 103:17,18? Inona no ambaran'izany momba ny maha-mandrakizay ny fitiavan'Andriamanitra nefa koa miankina amin'ny fandraisana izany Fitiavana izany no hahazoantsika ireo tombontsoa avy amin'ny fifandraisana Aminy?

3. Manova zavatra eo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra ve izany, amin'ny fomba ahoana? Inona no fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fiheveranao ny fahorian'ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal