Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.

Daty
Alatsinainy 07 July 2025

Niseho tamin'i Mosesy "tao anatin'ny roimemy" tamin'ny lelafo "ny anjelin'i Jehovah" (Eks. 3:2, NIV). Ny Tompo Jesosy mihitsy no niteny tamin'i Mosesy "tao anatin'ny roimemy" (Eks. 3:4, NIV).

Aza mampifangaro amin'ny hoe "anjelin'i Jehôvah" ho fanehoana an'i Jesôsy Kristy. Ny teny hoe anjely dia midika hoe "iraka" (Hebreo: mal’akh), ary miankina amin'ny tontolon-kevitra foana raha olona na Andriamanitra io anjely io (jereo Mal. 3:1). Misy tranga maro ao amin'ny Baiboly izay ilazana ny "anjelin'i Jehovah" ny olona avy amin'Andriamanitra (diniho, ohatra, Gen. 22:11, 15–18; Gen. 31:3, 11, 13; Mpits. 2:1, 2; Mpits. 6:11–22; Zak. 3:1, 2). Ity anjelin'i Jehovah eto ity dia tsy vitan'ny hoe miteny amin'ny anaran'i Jehovah ihany, fa Izy mihitsy no Jehovah. Jesosy no irak'Andriamanitra hampita ny Tenin'ny Ray amintsika.

Vakio ny Eksodosy 3:7–12. Ahoana no nanazavan'Andriamanitra tamin'i Mosesy ny antony naniriany hiditra an-tsehatra ho an'ny Isiraelita andevo tany Egypta?

Ny fijalian'ny vahoakan'Andriamanitra tany Egypta dia voalaza mazava tsara ho fitarainana sy hiakiaka mafy mangataka fanampiana. Ren'Andriamanitra ny fitarainany ary niahiahy Izy (Eks. 2:23–25). Nantsoiny hoe "oloko" izy ireo (Eks. 3:7). Izany hoe, na dia talohan'ny Sinay sy ny fankatoavana ny fanekena aza, dia olony izy ireo, ary hanao izay honenany sy hiroboroboany Izy (raha mankatò izy ireo) ao amin'ny tanin'i Kanana, araka ny nampanantenainy ny razany.

Hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy fa handefa azy any amin'i Farao Izy hanao asa manokana: "Koa ankehitriny, mandehana. Handefa anao any amin'i Farao Aho hitondra ny oloko Isiraelita hivoaka avy any Egypta" (Eks. 3:10, NIV). Averina indray, antsoin'Andriamanitra hoe "oloko" izy ireo.

Asa goavana tokoa no nasehon'Andriamanitra tamin'ny mpanompony! Namaly tamin'ny fanontaniana àry i Mosesy: "Iza moa aho?" Izany hoe, rehefa azony ny maha-zava-dehibe ny zavatra hitranga sy ny anjara toerany amin'izany rehetra izany, dia manontany tena i Mosesy hoe nahoana no olona toa azy no hofidiana. Eto, amin'ny fiandohana, dia misy famantarana ny toetrany, ny fanetren-tenany, ary ny fahatsapany fa tsy mendrika ny zavatra antsoina hohana izy.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fanetren-tena, sy ny fahatsapana ny "tsy fahamendrehantsika", ho an'izay rehetra mikatsaka ny hanaraka ny Tompo sy hanao zavatra ho Azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal