"Fa ny fitiavan Kristy no manery anay."- 2 KOr. 5:14
Mofon’aina: Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin 'ireo."- 1 Kor. 13:13.
"Fa tahaka izany, ny Zanak 'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro."- Mat. 20:28
Mofon’aina: Tonga teto amin'izao tontolo izao i Kristy mba hiaina ho an'ny hafa — tsy mba hotompoina fa hanompo. Raha miezaka miaina tahaka izay niainany ianao, dia milaza amin'izao tontolo izao hoe: "Banjino ilay Lehilahin'i Kalvary." Amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny ohatra no itarihanao ny hafa ho eo amin'ny lalan'ny fahamarinana.
"Dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy."- 2 Kor. 10:33
Mofon’aina: Tsy tokony hifantoka amin'ny tenantsika isika ka hanadino ny adidy andrasan'Andriamanitra sy ny hafa amintsika. (...) Tian'Andriamanitra ho tsara fanahy kokoa isika, ho maha-te ho tia kokoa, tsy ho mpitsikera na fatra-piahiahy ny hafa. Enga anie isika rehetra hanana ny Fanahin'i Kristy, ka hahalala ny fomba hitondrana ny rahalahintsika sy ny mpiara-monina amintsika! (…)
"Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy. Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon 'izy rehetra."- Mar. 10:43, 44.
Mofon’aina: Ao amin'ny fiainam-panompoana ihany no ahitana ny tena faha-sambarana marina. Mahantra indrindra izay miaina fiainana tsy mahasoa ny hafa sy feno fitiavan-tena. Sady tsy faly amin'ny tenany izy no tsy ho afa-po amin'ny hafa. Manofana ny mpiasany ny Tompo mba hahatonga azy ireo ho vonona handray ny toerana voatendriny ho azy. (...)
Mofon’aina: Ny feon'ny adidy dia feon'Andriamanitra. Tokony hanao ny adidy tandrifintsika isika na mahafaly izany na tsy mahafaly. Raha asain'ny Tompo mitondra hafatra any Ninive isika, dia tsy ho sitrany ny hankanesantsika any Jopa na any Kapernaomy. Manana antony hanirahana antsika any amin'ny toerana iray Andriamanitra. (...)