Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ilay fitsipiky " ny filazana voalohany"

Daty
Alahady 06 April 2025

Ny ankamaroan'ny fandaharam-pianarana any amin'ny oniversite dia manomboka amin'ny taranja ankapobeny (matetika omena ny laharana "101"), taranja mahafaoka Ireo foto-kevitra ankapobeny manan-danja, izay ho fototra iaingan'ny fianarana lalindalina kokoa arakaraka ny irosoana ao anatin'ilay lohahevitra. Toy izany koa, rehefa mamaky ny Baiboly manontolo isika, dia hahita fa manana taranja ankapobeny koa Andriamanitra ao amin'ny bokin'ny Genesisy, izay ampidirany hevitra izay hodinihina amin'ny tsipiriany kokoa manerana ny Baiboly manontolo.

Ho hitantsika ankapobeny fa ny filazana voalohany hevitra iray na famantarana ao amin'ny Baiboly - indrindra ao amin'ireo toko voalohany ao amin'ny Genesisy - dia mametraka fahalalana ankapobeny momba izany hevitra izany, izay hanampy antsika hahatakatra ny fampiasana azy any aoriana.

Ny "lalàn'ny filazana voalohany" no iantsoan'ireo mpianatra Baiboly sasany izany, na dia fitsipika (na lamina) aza, fa tsy lalána no tena tokony hilazana azy, satria tsy voatery ho raikitra izany, ary misy maningana maro. Ny lamina hita, na amin'ny fandinihana ny Baiboly ankapobeny na ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly, dia ity: ampitomboin'Andriamanitra tsikelikely ny fahalalan'ny zanany araka ny fandehan'ny fotoana, ka atombony amin'ny hevitra fototra izany, ary avy eo itariny hatrany araka ny androsoan'ny taona, na ny taonjato mihitsy aza.

Vakio ny Isa. 40:7,8; Mal. 3:6; sy ny Heb. 13:8. Inona ny fitsipika azonao raisina avy amin'ireo andininy ireo, izay hanampy anao amin'ny fandinihana araka ny tokony ho izy ny faminaniana?

"Izay heverina ho fahamarinana" fa tsy ny "fahamarinana" no tena resahina betsaka ao amin'ny tontolo môderina, satria heverina ho zavatra azo ovana sy miovaova arakaraka ny fandehan'ny fotoana ny "fahamarinana". Ary amin'ny toe-javatra sasany aza, ny hevitry ny atao hoe "fahamarinana" mihitsy no heverina ho mampiahiahy.

Rehefa mamaritra ny fahamarinana kosa Andriamanitra, dia tsy miova hevitra Izy. Rehefa manomboka mampianatra fahamarinana iray amin'ny vahoakany Andriamanitra, dia azo antoka fa raha hita miverimberina ny fitsipika na ny lohahevitra mifandraika aminy ao amin'ny Baiboly, dia tsy mampiova ny heviny izany fa ny mifanohitra amin'izany, manazava azy misimisy kokoa izany. Koa ilaina tokoa ny manana fahatakarana tsara ny bokin'ny Genesisy rehefa mandinika ny faminaniana, sy ny mitahiry an-tsaina izany fahalalana izany eo am-pandinihana ny Baiboly manontolo - satria ao no anazavana voalohany ireo hevitra fototra maro.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy amelantsika na iza na iza, na inona na inona, handemy ny finoantsika ireo fahamarinana tsy miovaova ao amin'ny Balboly, na dia amin'ny fomba toa malefaka sy mitombina aza? Amin'ny fomba ahoana Izay meły hisoko mangina no isehoan'izany fandemena Izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal