Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy

Daty
Talata 14 October 2025

TSAROVY

Vakio ny Jos. 4. Nahoana Andriamanitra no nilaza tamin'ny İsiraelita mba hanorina antontam-bato fahatsiarovana?

Ny tanjon'ireo vato ireo dia mba ho "famantarana." Ampifandraisina matetika amin'ny teny hoe "fahagagana" ny teny hebreo hoe 'of, ary azo ampiasaina hanondroana ny zava-mahagaga nataon Andriamanitra izany (jereo ny lesona omaly), toy ireo loza tany Egypta (Eks. 7:3; Deo. 4:34). Azo andikana izany koa ny hoe "tandindona" na "famantarana, izay marika hita maso maneho fahamarinana lalina kokoa na mifandraika amin'ny fidiran Andriamanitra an-tsehatra. Ny avana, ohatra, dia "famantarana" ny fanekena (Gen. 9:12,13); ny ra teo amin'ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran'ny tranon'ny Isiraelita dia nantsoina koa hoe "famantarana" (Eks. 12:13); ary ny tena manan-danja indrindra, dia ny Sabata "famantarana" ny Famoronana sy ny fanatrehan Andriamanitra izay manamasina (Eks. 31:13, 17; Ezek. 20:12).

Eto dia fahatsiarovana ny famantarana, izay mampahatsiahy ny taranaka mifandimby rehetra ny fahagagana nandritra ny fiampitana ny ony. Ny teny hoe fahatsiarovana (zikkaron) dia avy amin'ny teny hoe zakar, "mahatsiaro," izay manondro zavatra iray mihoatra noho ny fitadidiana fotsiny, Midika ho fahatsiarovana arahin'asa izany (Deo. 5:15; Deo. 8:2). Zavatra fahita ao amin'ny TT ny fametrahana antontam-bato ho fahatsiarovana (Gen. 28:18-22) sy ny fombafomba izay manaitra ny fahalianana ka mampametra-panontaniana (Eks. 12:26,27; Deo. 6:20-25). Tsy mamerimberina ireo fahagagana Andriamanitra fa mametraka fahatsiarovana izay mampahatsiahy ireo asa lehibe nataony sy milaza valinteny manan-danja mahakasika ny hevitr'izany. Araka izany dia natao hitoetra eo "mandrakizay" ny famantarana, midika izany fa natao hotsaroan'ny vahoakany mandrakariva izany fahagagana nataon'i Jehovah izany.

Zava-dehibe ny fanontaniana mety hapetrak'ireo taranaka any aoriana satria miantefa mivantana amin'izay hametrahana azy: "Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?" Tokony handray sy hahatakatra ny hevitr'ireo vato ireo ho an'ny tenany manokana ny taranaka tsirairay. Tsy voatahiry ho velona ny finoana an'ilay Andriamanitra Mpanao fahagagana raha tsy ny taranaka tsirairay mihitsy no maharay ny hevitra sy ny lanjan'ireo asa lehibe nataon'i Yahweh ho azy ireo.

Ny finoana tahaka izany dia hampisy fahasamihafana lehibe eo amin'ny fiainana amim-pahatokiana ireo fomba amam-panao miorina amin'ny Baiboly sy ny fifikirana amin'ny finoana nentim-paharazana izay nampitain'ny lovantsofina (fivavahana tsy misy aina izay tanan'ny taranaka ankehitriny izany, ka tsy manana ny tombambidiny sy ny heriny tany am-piandohana). Raha fintinina, dia ny finoana miorina amin'ny Baiboly no tokony horaisintsika ho an'ny tenantsika. Tsy misy na iza na iza afaka hino eo amin'ny toerantsika, eny fa na ireo razantsika aza.

Inona avy ireo fahatsiarovana manokana teo amin'ny fiarahanao mandeha tamin' Andriamanitra, izay manampy anao hahatsiaro ny zavatra efa nataony ho anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal