Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.

Daty
Alarobia 21 January 2026

Hoy i Mohamed Ali, indray andro: "izaho no mahery indrindra." Tamin'ny volana Aogositra 1963, enim-bolana talohan'ny nandreseny tamin'ny fifanintsanana maneran-tany amin'ny ady totohondry ho an'ny sokajy vaventy, dia namoaka raki-peo izy, izay nampitondrainy ny lohateny hoe: "izaho no mahery indrindra". Tsy isalasalana fa mpanao fanatanjahantena manana ny maha-izy azy tokoa i Ali, saingy tsy ohatra natao harahina izy ho an'izay maniry hanana ny sain'i Kristy.

 Tsy mba toy izany i Jesôsy izay tsy nanana eta velively. Na dia nalaim-panahy "tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika" aza Izy (Heb. 4:15), dia tsy mba nanota, eny fa na dia tamin'ny eritreritra iray monja aza. Na izany aza, dia hay ny Heb. 5:8: "nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny lzy, na dia Zanaka aza." Tonga lafatra mandrakariva ny fileferan'i Jesôsy tamin'ny sitrapon'ny Ray. Tsy nisy mihitsy fotoana izay nandavany tsy hilefitra tamin'izany, na dia tsy isalasalana aza fa tsy mora mandrakariva izany.

Vakio ny Fil. 2:5-8, andalan-teny izay heverin'ny olona sasany fa kanto sy mafonja indrindra ao amin'ny Soratra Masina. Inona no ambaran'i Paoly amintsika eto? Inona no tian'ireo teny ireo hambara? Ary ny tena manan-danja indrindra: ahoana no ampiharantsika eo amin'ny fiainana ny fitsipika voalaza eto?

I Jesôsy, Ilay mitovy amin'Andriamanitra, Ilay Andriamanitra, dia tsy nitafy nofo fotsiny fa tonga "mpanompo" (doulou, mpanompo, andevo) ary avy eo nanolotra. ny ainy ho fanatitra noho ny otantsika! Any amin'ny boky hafa, dia ambaran'i Paoly fa tonga "voaozona hisolo antsika" Izy (Gal. 3:13, DIEM). Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika, no maty tee amin'ny hazo fijaliana mba ho Mpanavotra antsika koa, ary noho ny amin'izany no tsy maintsy nahatonga Azy ho ozona noho ny amintsika.

Ahoana no hataontsika mba hahatakarana ny tian'izany hambara? Ary mihoatra noho izany, ahoana no hanatanterahantsika izay asain'ny lahatsoratra ataontsika, dia ny hanana fahavononana hanetry tena sy hahafoy tena ho an'ny tombontsoan'ny hafa?    
Izao no Iazain'i Jesôsy any amin'ny boky hafa ao amin'ny Baiboly: "Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetra tena no hasandratra." - Mat. 23:11,12. Izany no maneho taratra, amin'ny lafiny maro, ny zavatra asain'i Paoly ataontsika koa ao amin'ny Fil. 2:5-8. 

Raha atao amin'ny fiteny manaitra sy mazava kokoa, dia izay efa voalazan'i Paoly tea aloha momba ny tsy fanaovana na Inona na Inona "amin'ny fifampiandaniana" (Fil. 2:3) no lazainy eto.

Ahoana no tokony hataontsika eo anatrehan'izay efa nataon'i Kristy ho antsika, araka izay voalazan'ny Fit. 2:5-8? Inona no valinteny azo heverina fa "mendrika" asetry ny zavatra nataon'i Kristy ho antsika, ankoatra ny fandohalehana eo anatrehany sy ny fiderana Azy? Nahoana no fahadisoana lehibe ny fiheverana fa afaka manampy izay efa nataon'i Kristy ho antsika ny asantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal