Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 25 October 2025

FAMPIDIRANA 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 15:16; Lev. 18:24-30; 2 Tim. 4:1,8; Eks. 23:28-30; Deo. 20:10, 15-18; Isa. 9:6.

Tsianjery:

"Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehôvah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely."- Jos. 10:42

Ahitana toe-javatra vitsivitsy manahiran-tsaina ao amin'ny bokin'i Josoa. Miteraka fanontaniana manan-danja ny hevitra mahakasika ny ady masina, izay ahitana vondron'olona nomen'Andriamanitra baiko mba handringana vondron'olona iray hafa.

Saro-takarina ny momba ny ady masina ao amin'ny TT. Ny fahitana an'Andriamanitra ao mantsy dia Tompo sy Mpanjakan'izao rehetra izao, ka ny zavatra rehetra izay mitranga, araka izany, dia heverina fa araka ny Sitrapony mivantana na tsia. Noho izany, dia manjary tsy azo ihodivirana ny fanontaniana manao hoe: "Nahoana moa no avelan'Andriamanitra hiseho ny zavatra tahaka izany?" Hitantsika tamin'ny herinandro lasa fa Andriamanitra mihitsy no mandray anjara ao anatin'ny ady anankiray izay lehibe lavitra noho ny ady rehetra mety atrehina eo amin'ny tantaran'ny olombelona, ady izay mahakasika ny lafim-piainantsika tsirairay izany. Hitantsika koa fa miorina amin'ny fahatakarana io fifanandrinana io ny fahatakarana amin'ny fahafenoany ireo toe-javatra niseho tao amin'ny Baiboly sy eo amin'ny tantaran'izao tontolo izao.

Hotohizantsika amin'ity herinandro, ity ny fandinihana lalindalina kokoa momba ny ady izay ankasitrahan'Andriamanitra, ny fetran'izany ady masina izany sy ny fepetra mikasika azy, ny fahitana hitan'ireo mpaminanin'ny TT momba ny fiadanana amin'ny hoavy ary ny tsoa-kevitra ara-panahy azo raisina avy amin'ireny ady ireny.

*Famerenana ny lesona ny sabata 01 Novambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal