FIANARANA FANAMPINY
Vakio "Ny nandravana an'i Jeriko", tt. 488-491, ao amin'ny PM.
Tahaka ny zava-drehetra ao amin'ny Baiboly, dia zava-dehibe tokoa ny fahafantarana ny tontolon-kevitra sy ny votoatiny. Araka izay hitantsika, dia manan-danja ho an'ny fahatakarana ny ady natao tamin'ireo Kananita ny fifanandrinana mahafaoka an'izao rehetra izao sy ny maha-Mpitsara an'Andriamanitra.
"Tsy mora tezitra Andriamanitra fa mahari-po. Nomeny androm-pahasoavana ireo firenena ratsy fanahy andrao mba ho tonga amin'ny fahalalana Azy sy ny Toetrany. Arakaraka ny fahazavana nomena azy ireo ny fatran'ny fanamelohana azy noho ny nandavany tsy handray ny fahazavana sy ny nifidianany handeha amin'ny lalany fa tsy amin'ny lalan'Andriamanitra. Nomen'Andriamanitra ny antony tsy nandroahany ireo Kananita tao anatin'ny indray mandeha monja. Tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. Noho ny helok'izy ireo, dia nanatona tsikelikely ny teboka iray izay naha-ritra ny faharipon'Andriamanitra izy ka tsy maintsy aringana. Tsy mbola hahatra aminy anefa ny famalian'Andriamanitra mandra-pahatrarany io fetra io sy mandra-pahatanteraka ny helony. Nomena androm-pahasoavana avokoa ny firenena rehetra. Ireo izay nanao tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra kosa dia nandroso tsikelikely nankamin'ny faharatsiam-panahy hatrany. Nandova ny toetra mpikomy nananan'ireo ray aman-dreniny ny zanaka ary nanao ratsy lavitra noho ireo razany aza, mandra-pianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra nirehitra tamin'izy ireo. Tsy mampihena ny famaizana tsy akory ny fihemoran'ny fampiharana azy." - SDABC, b. 2, t. 1005.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Ifanakalozy hevitra ny fiantraikan'ny maha-Mpitsara antsika an Andriamanitra sy ny maha-Mpitsara faratampony an'izao rehetra izao Azy. Araka ny hevitrao, nahoana no manan-danja ho an'ny filazantsara sy ny famonjena antsika ny maha-Mpitsara an'Andriamanitra?
2. Manokatra varavarana hahalalantsika ny faharetan'Andriamanitra sy ny fahamarinany ny tantaran'ireo Kananita; amin'ny fomba ahoana? Ahoana no hanehoantsika ny toetran'Andriamanitra eo amin'ny fomba itondrantsika ny olombelona namantsika?
3. Eritrereto ny toetra fototry ny safidy malalaka. Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no manaja ny fananantsika safidy malalaka? Ahoana no ifandraisan'ny fitiavana sy ny fahafahana misafidy malalaka?
4. Ahitana tantara maro momba ny ady sy fifandirana ao amin'ny TT, nefa amin'ny farany dia mampanantena fiadanana izany. Inona no anjara asa tokony hotanan'ny Kristianina eo amin'ny fampanjakana ny fihavanana (fiadanana) eo amin'ny manodidina azy.