Inoan'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa nahazo tsindrimandry avy amin'Andriamanitra i Ellen G. White. Ny asa sorany sy ny fiainany ary ny fanompoany dia samy mifanaraka amin'ireo fepetra mampiavaka ny mpaminany marina. Nananany ny toetoetry ny tsindrimandry izay nananan'ireo mpaminanin'ny Baiboly, na dia tsy nihevitra velively aza izy fa mitovy amin'ny Soratra Masina ny asa sorany. Mifanohitra amin'izany aza, nasandratr'i Ellen G. White hatrany ny Baiboly. Kanefa ahoana ny fahatakarany ny fanambarana ara-paminaniana nomen'Andriamanitra azy sy ny amin'ny tsindrimandry?
Voalohany, nihevitra mandrakariva i Ellen G. White fa ny Baiboly no fanambarana manam-pahefana sy tsy mety diso momba an'Andriamanitra. Ny Baiboly no manambara ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny drafi-pamonjeny ho an'ny taranak'olombelona lavo. Ao anatin'izany dingana izany, araka izay ianarantsika, dia mampiasa mpaminany Izy mba hampita ny hafany.
Faharoa, fantatr'i Ellen G. White fa momba ny tsindrimandry dia miara-miasa Andriamanitra sy ny olombelona. Andriamanitra no manome ny hafatra, ary ny mpaminany no mampita izany toromarika avy amin'Andriamanitra izany amin'ny alalan'ny fiteniny manokana. Tahaka izao ny nambaran'i Ellen G. White momba izany: "Tsy nanao soratononina Andriamanitra raha nampita hafatra, fa ny mpanoratra no nomeny tsindrimandry. Ny mpanoratra no iasan'ny Fanahy Masina, ka hevitra avy amin'Andriamanitra no mameno ny sainy. (...) Mikambana amin'ny fisainan'Andriamanitra ny fisainan'olombelona ka tonga Tenin'Andriamanitra ny teny lazain'ny olona." - SIM, b. 1, t. 21.
Mahakasika ny fahitana sy ny nofy ara-paminaniana, dia takatr'i Ellen G. White fa ny "hevitra avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra" dia firaisan'ny fanambaran'Andriamanitra sy ny fanandraman'olombelona. Hoy izy: "Ny Baiboly, izay ahitana ireo fahamarinana nomen'Andriamanitra aseho amin'ny fitenin'olombelona, dia maneho ny firaisan'ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona." - SIM, boky 1, t. 25. Nampiasa fomba maro Andriamanitra mba hahatakaran'ilay irany ny hafatra tiany hampitaina. Anisan'izany ny sary naseho tamin'ny fahitana, ny teny ary ny fisainana izay nampiasa ny retsi-pandre rehetran'ilay mpaminany. Mitovy amin'ny fanandraman'ireo mpanoratra ny Baiboly ny niainan'i Ellen G. White.
Fahatelo, nanamarika i Ellen G. White fa tsy avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra avokoa tsy akory ny fanandramana rehetra niainany sy ny teny rehetra voalazany. "Misy fotoana izay tsy maintsy niresahana zavatra tsotra andavanandro sy nieritreretana momba izany; tsy maintsy nisy taratasy tsotra nifampitana hafatra teo amin'ny mpiasa iray mankamin'ny anankiray hafa. Ny teny sy ny fampahafantarana toy izany dia tsy avy amin'ny tsindrimandrin'ny Fanahin'Andriamanitra manokana." - SIM, b. 1, t. 39. Zava-dehibe ny fahatakarana izany fiavahana izany rehefa mamaky sy mandinika ny asa sorany sy ny fanandramany isika, indrindra ireo taratasy nosoratany manokana sy ny diariny.
Manampy antsika hisoroka ny fandraisana tendrony ny fahafantarantsika ny fomba fahatakaran'i Ellen G. White ny fanambarana sy ny tsindrimandrin'Andriamanitra, ary manampy antsika hamaky ny toroheviny amim-pahendrena sy amim-pahatakarana marina.