Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Malain-ko tezitra Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 27 January 2025

Tezitra amin'ny ratsy Andriamanitra satria fitiavana Izy. Be fiantrana sy be fahasoavana tokoa Andriamanitra, ary nisy mpaminany iray aza ao amin'ny Baiboly, nanome tsiny an'Andriamanitra satria mahari-po sy be famindrampo loatra Izy!

Jereo ny tantaran'i Jônà ao amin'ny Jônà 4:1-4, ka diniho ny fihetsiny manoloana ny fiantran'Andriamanitra ny Ninivita ka namelany ny helok'izy ireo. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika an'i Jônà sy mikasika an'Andriamanitra? (jereo koa ny Mat. 10:8.)

Mifamatotra ny fitiavana sy ny fahamarinana, araka ny Baiboly. Manambara zavatra roa lehibe ny fihetsik'i Jônà teo anatrehan'ny famindrampon'Andriamanitra. Voalohany indrindra, maneho ny hamafin'ny fon'i Jônȧ izany. Halany loatra ny Asirianina noho ny nataony tamin'ny Isiraely hany ka tsy tiany ny hamindran'Andriamantra fo amin'izy ireo.

Lesona lehibe ho antsika izany! Mila mitandrina isika tsy hanana toetra tahaka ny an'i Jônà, na mitombina toy inona aza izany. Ireo izay efa nandray fahasoavana avy amin'Andriamanitra no tokony hahatsapa, mihoatra noho ny hafa rehetra, fa atolotra an'izay tsy mendrika izany velively ny fahasoavana, koa tokony ho vonona hizara fahasoavana amin'ny hafa izy ireo.

Faharoa manaraka izany, ny fihetsik'i Jônà dia manamafy fa toetra fototra ananan’Andriamanitra ny famindrampo sy ny fahasoavana. Diso fantatr'i Jônà loatra ny famindrampon’Andriamanitra - satria, araka ny tsindriany manokana, Andriamanitra dia "mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo" - Jônà 4:2 - ary fantatr'i Jônà fa hanenina ny amin'ny loza nokasainy hahatra amin'i Ninive Izy.

Azo adika ara-bakiteny hoe "lava orona" ny teny hebreo nadika hoe "malain-ko tezitra" na "mahari-po". Araka ny fomba fiteny hebreo dia ampifandraisina ara- panoharana amin'ny orona ny fahatezerana, ka ny halavan'ny orona no anehoana ny faharetan'ny olona manindry fo mandra-pahatezitra azy.

Koa maneho ny fahari-pon'Andriamanitra sy ny famindrampony ny filazana Azy ho "lava orona". Mora tezitra ny olombelona, Andriamanitra kosa feno faharetana sy fahari- po, ary mandrotsaka maimaimpoana ny fahasoavany manana amby ampy; saingy tsy manamarina ny fahotana na manampi-maso manoloana ny tsy fahamarinana Izy. Andriamanitra mihitsy no nahafoy ny ainy sy nisolo antsika teo amin'ny hazo fijaliana ho fanavotana antsika, mba ho marina sady mpanamarina ireo izay mino Azy Izy (Rôm. 3:25,26).

Ela nataonao ve izany hoe tsy mamindra fo na miantra ny olona nanisy ratsy anao izany? Ahoana ny fomba tsy hanadinoanao izay nataon'Andriamanitra ho anao mba hahatonga anao ho tsara fanahy kokoa amin'ny hafa, noho ny fahatsapanao ny fahasoavana ma nana amby ampy narotsak’Andriamanitra taminao? Ary ahoana no ahaizantsika mamindra fo sy miantra kanefa koa tsy manome vahana ny fahotana na ny fanararaotana na ny fampahoriana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal