Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Andriamanitra manenina?

Daty
Alarobia 05 February 2025

Mety "manenina" ve Andriamanitra? Raha eny, inona no hevitr'izany? Efa hitantsika fa tsy miovaova ny toetran'Andriamanitra. Misy andalan-tSoratra Masina sasany anefa milaza fa "manenina" Andriamanitra. Farafahakeliny ho an'ny olombelona, ny fanenenana dia mifono fanekena ny ratsy natao. Ahoana àry no mahatonga ny toko sy andininy sasany ao amin'ny Baiboly hilaza fa "manenina" Andriamanitra?

Vakio ny Eks. 32:14 ary ampitahao amin'ny Jer. 18:4-10. Ahoana no fahatakaranao ny "fanenenan" ‘Andriamanitra araka ireo fanambarana ireo?

Ao amin'ireo toko sy andininy ireo sy any amin'ny hafa koa no ilazana fa manenina ny amin'ny famaizana Andriamanitra rehefa mibebaka na mifona ny vahoakany. Mampanantena Izy fa raha miala amin'ny lalan-dratsiny ny olona dia tsy hahatrany ny loza izay efa nomaniny hamelezana azy ireo. Lohahevitra iray fahita ao amin'ny Soratra Masina ny fanafoanan'Andriamanitra ny loza saika hamelezany ny olona rehefa mibebaka izy ireo.

Vakio ny Nom. 23:19 sy ny 1 Sam. 15:29. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo mahakasika ny hoe manenina na tsia Andriamanitra?

Manambara mazava ireo toko sy andininy ireo fa "tsy olona Izy ka hanenina" -1 Sam. 15:29, ary koa "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?" - Nom. 23:19. Ny famakiana ireo toko sy andininy ireo miaraka amin'ny andalan-tSoratra Masina hafa dia mandiso ny fiheverana fa tsy "manenina" na oviana na oviana Andriamanitra; izao kosa no tiany hambara: tsy "manenina" tahaka ny fanenenan'ny olombelona Andriamanitra. Hazoniny mandrakariva ny teny fikasany, ary raha miova arakaraka ny fibebahan'ny olombelona ny Lalany, dia ataony araka ny fahatsarany sy ny Teniny mandrakariva izany. Manenina noho ny loza saika hamelezany ny olona Andriamanitra rehefa mibebaka izy ireo; izany dia noho ny faha-tsarany sy ny fahamarinany ary ny fitiavany sy ny famindrampony.

Inona no hevitry ny fanambaran'ny Baiboly momba ny "fanenenan’Andriamanitra" ? Inona no hevitra hampitain’izany momba ny tsy fiovaovan'ny toetran'Andriamanitra sy ny fanolorany tena hifandray amintsika ao anatin'ny fifandraisana anjakan'ny fitia mifamaly, fifandraisana izay manan-danja Aminy tokoa? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal