Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera

Daty
Alakamisy 15 May 2025

Toa saro-takarina ny momba ny toerana nisy an'i Losifera fahiny, kerôbima manaloka, toerana iray ambony izay manakaiky ny seza fiandrianan'Andriamanitra izany. Azo antoka tokoa fa ho nanampy tamin'ny fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra amin'izao rehetra izao ny fisiany, saingy nanomboka nieritreritra momba ny voninahiny manokana izy fa tsy ny an'ilay Mpamorona. Raha ny marimarina kokoa, dia nanomboka nihevitra izy fa tsy nomena ny toerana mendrika azy.

Vakio ny Ezek. 28:11-17 sy ny Isa. 14:12-14. Inona no nahatonga ny fianjeran'i Satana? Ampitahao amin'ny Apôk . 14:1-12 ireo toko sy andininy ireo. Manampy anao hahatakatra ny zava-mitranga ao amin'ny Apok. 14 ny fampitahana ny fahalavoan'i Losifera sy ny toerana ambony misy ny olombelona ao amin'i Kristy, amin'ny fomba ahoana?

Mariho ny nanesorana an'i Losifera teo amin'ny tendrombohitra masina raha nijoro teo an-tendrombohitra Ziona niaraka tamin'ny Zanak'ondrin'Andriamanitra ny voavotra. Voalaza fa tany Edena i Losifera; tao koa ny olombelona fahiny, saingy tsy tahaka ny nanjo an'i Satana, ny olona dia haverina indray ao amin'ny Paradisa amin'ny alalan'i Kristy. (Jereo ny Apôk. 22:1-3).

Tahaka izao ny fampahafantarana nataon'i Ellen G. White mahakasika izany tontolon-kevitra izany: "Hihoby ny lanitra, satria ny toerana banga any an-danitra vokatry ny fahalavoan'i Satana sy ireo anjeliny dia hofenoin'ireo voavotr'i Jehôvah ." - The Advent Review and Sabbath Herald, 29 Mey, 1900.

Ary tonga any an-danítra ireo voavotra ireo, noho ny amin'ny filazantsara irery ihany. Aseho an-tsary ao amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 4 sy 5 ny lohahevitry ny filazantsara sy ny fanavotana. Izao, ohatra, no ambaran'ny anjely ao: "Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra." - Apôk. 5:9. Sary maneho ny filazantsara tokoa izany, ary koa maneho ny fahafatesan'i Jesôsy ho fanavotana ny taranak'olombelona!

Mariho koa ny fomba fiteny ampiasaina izay maneho taratra ny hafatry ny anjely voalohany miantso antsika hitory ny "filazantsara mandrakizay (...) man amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk, 14:6. Fanehoana miezinezina ny fahafenoan'ny zavatra nataon'i Kristy ho an'izao tontolo izao izany. Tsy misy olombelona eo amin'ny tantaran'ny tany manontolo izay tsy nanoloran'i Kristy ny ainy, ny hany ilain'izy ireo dia ny mahalala izany sy mifidy ny hanaiky izany.

Inona no anjara asa tanantsika, amin'ny maha-isika antsika sy amin'ny maha-fiangonana antsika, eo amin'ny fampahafantarana ny olona ny zavatra nataon'i Kristy ho azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal