Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Eo an-tendrombohitra Ziona.

Daty
Alatsinainy 19 May 2025

Hitantsika ao amin'ny Apôk. 14 ireo vahoakan' Andriamanitra mitsangana eo an-tendrombohitra Ziona. Teo andrefan'ny tananan'i Jerosalema fahiny no nisy ny tendrombohitr'i Ziona tany am-boalohany ary noheverina fa teo no nitoeran'ny seza fiandrianan'Andriamanitra na ny fanatrehany teo anivon'ny vahoakany. Taty aoriana, dia nantsoina koa hoe Ziona ny tendrombohitra nisy ny tempoly, izay teo an-tendrombohitra Moria.

Raha lazaina amin'ny teny hafa, izany fanehoana manan-danja ny vahoakan' Andriamanitra sisa amin'ny andro farany izany dia hita ao amin'ny fiteny ampiasaina mifandraika amin'ny fitoerana masina, tahaka ny ankamaroan'ireo toe-javatra manan-danja ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy ihany. Noho ny amin'ny Zanak'ondry no maha-eo an-tendrombohitra masina ny vahoakan'Andriamanitra.

Vakio ny Sal. 15 sy 24, izay ametrahan'i Davida fanontaniana manan-danja tokoa: "iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?" Ampitahao amin'ny fanoritsoritana ny vahoaka mitsangana eo Ziona ao amin'ny Apôk . 14:1-5 ny valintenin'i Davida ao amin'ireo Salamo ireo. Inona no fitoviana hitanao? Ahoana no ahafahantsika miditra ho isan'ireo? Inona no hevitry ny hoe: voasoratra eo amin'ny handrin'izy ireo ny anaran'ny Ray (Apok. 14:1)?

Sarotra ho an'ny mpanota ny hahatanteraka ny fepetra takina amin'ireo izay mahazo mankeo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny Salamo nataon'i Davida. Iza amintsika moa no afaka hilaza tsy amim-pihambahambana fa nandeha tamin'ny fahitsiana mandrakariva? Na koa nisaintsaina marina tao am-pony mandrakariva (Sal. 15:2)? Tsy misy afaka hilaza fa "tsy mba hangozohozo mandrakizay" izy (Sal. 15:5). Raha milaza isika fa tsy mbola nanota, dia ampianarin'ny Baiboly fa tsy manana ny marina ao anatintsika isika (1 Jao. 1:8).

Tsy misy tsoa-kevitra hafa azontsika raisina ankoatra izao: noho ny amin'ny Zanak'ondry no ahafahantsika mitsangana eo Ziona. Tsy voatonona ao amin'ny Salamon'i Davida ny Zanak'ondry saingy hita ao amin'ny Apôk . 14. Toy ny hoe mamaly ny fanontanian'i Davida ny Apôk. 14. Ankehitriny dia mitoetra ao an-tendrombohitra Ziona ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, ao amin'ny fitoerana masina, koa azontsika atao koa ny mankao noho ny amin'ny fahamarinany tonga lafatra izay atafy antsika amin'ny alalan'ny finoana. Azontsika atao ny hanana fahasahiana "hiditra ao amin'ny fitoerana masina (...) noho ny ran'i Jesôsy , amin'izay làlana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony" - Heb. 10:19,20. Raha tsy noho izany ran'i Jesôsy izany, inona moa no azontsika antenaina? Tsy misy.

Eritrereto ireo teny fikasan'ny Baiboly rehetra momba ny fandresena ny fahotana. Na dia eo aza ireo fampanantenana ireo, nahoana isika no mbola tsy mahatratra ny ohatra tonga lafatra napetrak'i Jesôsy harahintsika ihany? Ary nahoana isika no mila ny fiainany tonga lafatra ho solontsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal