Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana

Daty
Sabotsy 17 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Heb. 9:11-15; Sal. 122; Sal. 15; Sal. 24; Eks. 33:18-23; Sal. 5; Sal. 51:7-15.

Tsianjery:

"Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny." - Apôk. 14:1

Amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika, dia mahazatra antsika ny mijery ireo sary an'ohatry ny Apôkalipsy ao amin'ireo tantaran'ny Testamenta Taloha mba hanampy antsika hahatakatra ireo sary an'ohatra ireo. Tsy ireny tantara ireny ihany anefa no loharanon-kevitra tsara fa hita manerana ny Testamenta Taloha izany.

Boky iray manokana manan-karena loharanon-kevitra ny Salamo; amboaran-tononkalo masina izay mitantara fanandraman'ny olona marobe sy resaka ifanaovana amin'Andriamanitra izany - hita ao avokoa na ny famoizam-po noho ny fahotana sy ny fahoriana na ny fifaliana safononoka noho ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny teny fikasana averimberiny momba ny famelan-keloka sy ny famonjena.

Raha mamaky tsara ny Salamo isika dia hahita tsipirian-javatra izay manome aina ny bokin'ny Apokalipsy, indrindra ny Apôk. 14, izay miresaka momba ny asa farany ataon'ny fiangonan'Andriamanitra sisa eto an-tany. Nomena iraka mitovy amin'ny Isíraely fahizay ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany: asaina mijoro ho fahazavana ho an'ny firenen-drehetra isika, ho antsom-pamindrampo farany amin'ny olona rehetra mba hiankohofany sy hankatoavany ny Mpanao azy.

Hanome fomba vaovao hanampy antsika hahatakatra sy hankamamy ny anjara asantsika amin'ny vanim-potoana farany eo amin'ny tantaran'ny tany ireo tsipirian-javatra sasany hita ao amin'ny boky fihiran'Andriamanitra.

*Famerenana ny lesona ny sabata 24 Mey.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal