Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Hampianatra ny olon-diso ny làlanao.

Daty
Alakamisy 22 May 2025

Taorian'ny nisehoan'i Jehôvah tamin'i Isaia tao amin'ny fahitana momba ny seza fiandrianana ao amin'ny Isa. 6:1-8, sy taorian'ny nilazana tamin'i Isaia hoe: "afaka ny helokao" ary "voavela ny fahotanao", dia izao no nambarany ho setrin'ny antson'Andriamanitra: "Inty aho, iraho aho." - Isa. 6:8. Izany hoe, vantany vao fantany fa vita fihavanana tamin'Andriamanitra izy, dia vonona ny hiasa ho Azy izy na dia fantany aza ireo fahadisoany marobe.

Moa ve tsy toy izany koa isika? Ahoana no hitoriantsika ny famonjena amin'ny hafa raha tsy efa manana izany isika? Ary azontsika atao ny mandray izany, amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesôsy sy izay efa nataony ho antsika.

Vakio ny Sal. 51:7-15. Inona no ampanantenain'i Davida fa hataony rehefa voadio sy voavela heloka izy?

Ny hoe antsoina ho eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra dia midika hoe irahina. Tao amin'ny fahendreny no nanirahan'Andriamanitra ireo voavotra mba hanompo amin'ny maha-Feony azy ireo, hiteny amin'ity tontolo lavo ity. Hisy ny fotoana izay hahatsapana amin'ny fomba miezinezina ny fiantraikan'ny asa ataon'ny vahoakany eto an-tany. Milaza amintsika ny Apôk. 18:1 fa hampahazava an'izao tontolo izao manontolo ny antso farany alefa amin'ilay planeta lavo.

"Raha vantany vao mahafantatra an'i Kristy ny olona dia miredareda ao am-pony ny faniriana ta hampahafantatra ny hafa, fa efa nahita Sakaiza malala izy, dia i Jesôsy; tsy azony hidina ao am-po ny fahamarinana mahatonga famonjena sy fahamasinana. Tsy azontsika atao ny hangina, raha voatafin'ny fahamarinan'i Kristy isika ary feno fifaliana noho ny Fanahiny ao am-pontsika. Tsy maintsy hanan-javatra holazaina isika, rehefa nanandrana, ka nahita fa tsara ny Tompo. Tahaka ny nataon'i Filipo, fony izy nahita ny Mpamonjy, no tsy maintsy hataontsika koa amin'ny olon-kafa hanatonany an'i Kristy." -DHK, t. 143, ed. 2018.

Miorina amin'ny "filazantsara mandrakizay ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14 (and. 6). Izany hoe, talohan'ny nitoriana ny hafatra momba ny fiankohofana amin'llay "nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano" - Apôk. 14:7, na koa ny fanambarana momba ny faharavan'i Babilona (Apôk. 14:8), na ny momba ny fiankohofana amin'ny "bibidia sy ny sariny" (Apôk. 14:9), no efa nitoriana ny fanorenan'ny filazantsara sy ny famonjena ao amin'i Jesôsy . Izao no anton'izany: ny fampitandremana sy ny hafatry ny anjely telo dia tsy inona akory fa ny fanantenana sy ny teny fikasana ananan'ireo izay mitory ireo hafatra ireo ao amin'i Jesôsy sy ao amin'izay efa nataony ho azy ireo. Tsy manan-javatra manan-danja holazaina amin'izao tontolo izao ankoatra ny "filazantsara mandrakizay" isika.

Saintsaino bebe kokoa izao: na dia talohan'ny nanombohana ny fitoriana ny hafatry ny anjely telo aza dia efa nambara tamintsika ny "filazantsara mandrakizay." Ahoana no hanambaran'izany amintsika ny maha-zava-manan-danja io fahamarinana io manoloana ny zavatra rehetra inoantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal