Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Divay sy rà.

Daty
Alarobia 28 May 2025

Vakio ny Sal. 75. Vakio koa ny Mat. 26:26-29 sy ny Apôk . 14:9-12. Inona no ambaran'io Salamo io momba ny lafin-javatra sasantsasany ao amin'ny fitsarana, ary ahoana no anampian'ireo toko sy andininy ambiny antsika hahatakatra ireo teboka ireo?

Nisy olona sasany nihevitra fa nohiraina taorian'ny fandringanana ireo tafik'i Sankeriba tamin'ny fomba mahagaga io Salamo io (2 Tant. 32; 2 Mpanj. 19) - tantara iray izay heverina fa manondro mialoha ny fandravana farany atao amin'ireo ratsy fanahy ao amin'ny Apôk. 20 izany. Tao anatin'ny Tanana Masina ireo vahoakan'Andriamanitra niaraka tamin'ny mpanjakany marina raha tonga ny tafiky ny ratsy ary nanodidina azy ireo; Andriamanitra mihitsy anefa no nandringana azy ireo tamin'ny farany.

Anisan'ny zavatra iray ahitsin'Andriamanitra ao amin'ny fitsarana ny fisandohana fahefana izay niseho teto amin'ity tontolontsika lavo ity. Tsy velona ho an'ny hafa na ho an'ny voninahitr'Andriamanitra intsony ny olombelona lavo fa velona ho an'ny tenany. Ankehitriny isika dia miaina miaraka amin'ireo vokatry ny safidy nataontsika ny hino fa tsy misy heviny na fitsipika ara-môraly mifehy izao tontolo rehetra izao. Nanamafy ilay filozofa antsoina hoe Friedrich Nietzsche fa raha misy heviny izao rehetra izao dia isika no tsy maintsy mamorona izany ho an'ny tenantsika ary manao toy ny hoe misy ho an'ny tombontsoantsika izao tontolo izao. Indro fa mitondra tena tahaka ny andriamanitra ny tsirairay.

(Tsy mahadiso ny mametraka izao fanontaniana izao: Nahomby teo amin'ny fiainan'i Nietzche ve izany filozófia izany? Azo lazaina fa tsy nahomby izany, raha ny marina. Lasa adala izy, ary nianjera teo amin'ny lalana iray tany Italie rehefa niezaka nanakana lehilahy iray tsy hikapoka soavaly iray. Taorian'izay, dia tsy afa-nihetsika sy very saina izy nandritra ny 11 taona ary maty tamin'ny taona 1900.)

Na ratsy manao ahoana aza ny olana, amin'ny maha-mpino antsika dia ampaha-tsiahivina isika mba hiaina ao anatin'ny fanantenana ary koa tsy hitsara ny hoavy araka ny toe-javatra miseho ankehitriny. Mora kivy isika rehefa mahita ireo andrin'ny sivilizasiona mikoro tsikelikely ao am-po sy ao an-tsain'ireo olona tsy araka an'Andriamanitra na ireo manana fiheverana tsy araka ny Baiboly momba an'Andriamanitra. Velona ao anatin'ny vanim-potoana izay amelezan'i Satana ny soatoavina ara-môraly isika, eny fa na ny zavatra tsotra indrindra tahaka ny maha-lahy na ny maha-vavy aza (farafahakeliny any amin'ny faritra sasany eto an-tany). Deraina sy ankasitrahana ampahibemaso ankehitriny ny faharatsiam-pitondrantena sasany, nefa zava-mahamenatra ho an'ny ankamaroan'ny olona na dia ny hiresaka izany any amin'ny takontakona aza. Tahaka izany ny fizotry ny toe-javatra ho amin'ny ratsy.

Na dia tokony hanao izay tandrify antsika aza isika mba hahatonga ny fiainan'ny hafa ho tsaratsara kokoa, nahoana no manan-danja mandrakariva ny fahatsiarovana fa tsy maintsy horavana tanteraka ity tontolo ity ary hamorona vaovao avy amin'izany Indray Andriamanitra vao hiverina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal