Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.

Daty
Alarobia 26 August 2026

Rehefa niverina tany Efesosy i Paoly, dia nanoratra taratasy ho an'ny Korintianina fa tsy namangy azy ireo fanindroany. Nanjary fantatra amin'ny hoe "epistily hentitra" io hafatra nosoratany io (jereo ny 2 Kor. 2:3,4; 2 Kor. 7:8,12).

Vakio ny 2 Kor. 7:5-13. Inona no vokatry ny hafatra nosoratany ho azy ireo, ary nanao ahoana ny fihetsik'l Paoly teo anatrehan'izany vokatra Izany?

Nihaona tany Makedonia i Paoly sy i Titosy taty aoriana, ka tao no nandrenesan'i Paoly avy amin'i Titosy ilay vaovao tsara, fa nitondra voka-tsoa ireo teny mahery nosoratany, ary nitondra fifaliana lehibe ho an'ny fon'ilay apostoly izany. Raha nanohitra an'i Paoly ny olona sasany tao Korinto teo aloha, izao kosa dia nanaiky azy ny fiangonana. Zava-dehibe tokoa ny fanohanantsika ireo mpitarika antsika. Amin'ny maha-mambran'ny fiangonana antsika, dia afaka manamora ny asan'izy ireny tokoa isika.

Vakio ny 2 Kor. 2:5-11. Inona no hevi-dehibe eto?

Miresaka momba ny fitsipi-pifehezana eo anivon'ny fiangonana io andalan-teny io. Miady hevitra ny mpandinika raha ilay lehilahy voalaza fa nanambady ny vadin-drainy ao amin'ny 1. Kor. 5:1-5 io mpandika lalana io, na olon-kafa, dia olona iray izay nitaona ny hafa tao am-piangonana hiampanga an'i Paoly fa tsy namangy azy ireo izy ary tsy niraharaha azy ireo noho ny niovany drafitra. Toa manohana io hevitra faharoa io ny tontolon-kevitry ny tantara. Na izany na tsy izany, ny fampianarana manan-danja indrindra eto dia mikasika ny fomba tokony handraisan'ny fiangonana ny olona iray nanao fahotana.

Mampianatra izany fa ny tanjon'ny fampiharana fitsipika ao am-piangonana dia ny famerenana amin'ny laoniny amin'ny alalan'ny famelan-keloka sy ny fanamafisana indray ny fitiavana ilay mpanota (2 Kor. 2:6-8,10). Milaza koa io andalan-teny io fa mety hampahory ny famaizana eo anivon'ny fiangonana, nefa ilaina izany. Izany hoe, misy fiangonana, na manana fikasana tsara te hifantoka amin'ny "fahasoavana" aza, dia mety hiatrika na handray fepetra mihitsy manoloana ny ota mibaribary na ota atao ampahibemaso aza. Etsy ankilany, misy fiangonana sasany koa mety ho henjan-doatra, tsy mamela heloka, ary masiaka. Mila andraisana fepetra ny ota, saingy amin'ny fitiavana. Noho izany, afaka nananatra ny fiangonana i Paoly mba hanamafy indray ny fitiavany ilay mpandika lalana (2 Kor. 2:8) satria izy mihitsy no tia ny fiangonana (2 Kor. 2:4)!

Afaka naneho fitiavana ilay mpandika lalana ny fiangonana tany Korinto (2 Kor. 2:8) satria efa nanehoan'Andriamanitra fitiavana koa Izy tamin'ny alalan'ny fitiavan'i Paoly. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fitiavana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal