Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Fanamelohana

Daty
Alakamisy 28 November 2024

"Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy. (...) Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany." Jao. 3:18, 20, 21; ampitahao amin'ny Jao. 1:10.

Nahoana ny olona no tsaraina? Jao. 3:18,36; Jao. 5:24,38; Jao. 8:24; Jao. 12:47.

Mahatonga antsika hisokatra ho amin'ny fisalasalana sy ny fakam-panahin'ny devoly ny fandavana an'i Jesôsy Kristy, ilay Fahazavan'izao tontolo izao. Fiodinana amin'ny fahazavana ho amin'ny haizina izany.

Nomena fahazavana i Eva mahakasika izay tsy azony atao amin'ilay hazo teo afovoan'ny saha. Naka fanahy azy Satana mba hisalasala ny amin'izany fahazavana izany. Nozahan-dravehivavy toetra ny tenin'Andriamanitra ka nisaina izy fa tsy hanimba ny voary izay nohariany ny Andriamanitra iray izay fitiavana. Niantehitra tamin'ny fahalalany araka ny retsi-pandreny koa izy. Efa nihinana tamin'ilay hazo ilay menarana ka indro afaka miteny ankehitriny; noheveriny araka izany fa marina izay nambaran'ity menarana ity. Raha toa aho maka amin'ilay hazo dia ho tonga tahaka an'Andriamanitra! Voafitaka izy ka niala tamin'ilay fahazavana, ary nifidy izany lalana izany koa ny vadiny.

Vakio ny Mat. 4:1-4. Inona ny fitsipika nampiharin'i Kristy tany an'efitry ny fakam-panahy mba hanoherana ny famitahan'i Satana?

Sain'olombelona tahaka ny an'i Adama sy i Eva, sy ireo olona talohan'ny Safodrano, ary ireo Isiraelita tao Kadesy Barnea ihany no tao amin'i Kristy. Azony natao ny nanontany ny amin'ny anton'ny hamelan'Andriamanitra fitiavana ny Zanany lahy ho any an'efitra mandritra ny 40 andro sy alina kanefa tsy misy hanina na fiarovana. Azony natao koa ny nanapa-kevitra ny haneho ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, tamin'ny fanovana ny vato ho mofo! Tsy izany anefa no nataony, fa novaliany tamin'ny Tenin'Andriamanitra i Satana. Niasa araka ny fomban'ny lanitra Izy fa tsy araka ny fisainan'ny tany. Ho mora taminy tokoa ny nitady fialan-tsiny eo anatrehan'ny fanapahan-kevitra ratsy. Maro ny olona manao izany matetika na dia ireo olon'ny finoana aza, saingy tsy nanao izany Izy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal