Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMIRATRA AO AMIN'NY MAIZINA NY MAZAVA

Daty
Sabotsy 13 April 2024

SABATA HARIVA 13 Avrily 
Hodinihina mandritra ny herinandro : Jao. 8:44; Ohab. 23:23; Asa. 20:2732; 2 Tes. 2:7-12; Sal. 119:105,116,130,133,160; Ohab. 16:25; 2 Kôr. 4:3-6.

Tsianjery: "Dia hoy Jesôsy taminy: Mbola kely ihany ny hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany." — Jao. 12:35. 

Ao amin'ny Apôkalipsy, boky farany ao amin'ny Baiboly, dia aseho ho toy ny dragona sy menarana ny devoly (Apôk . 12:9). Dragona izy satria maniry handringana ny vahoakan'Andriamanitra ary menarana satria mampiasa ireo lainga sy hafetsena rehetra mba hamitahana. Tamin'ireo taona nanaraka ny nahafatesan'i Kristy dia olona an'arivony no nampijalina, natsipy hoviravirain'ny Iiona ary nodoran'ny fanjakan'i Rôma teo amin'ny antontan-kitay noho ny nandavany tsy hiankohoka amin'ny "andriamaniny". Na teo anatrehan'izany famaizana mahatsiravina izany aza anefa dia maro no nitoetra ho mahatoky; niely hatrany ny Filazantsara ary nitombo ny fiangonana.

Noho izany dia nanova ny paikadiny i Satana. Mpanompo sampy maro no natao batisa kanefa tsy nahazo fampianarana mafy orina ny amin'ny fahamarinan'ny Baiboly. Nahenika ny fiangonana ny fahadisoana rehefa nampifangaro ny fahamarinan'ny Soratra Masina tamin'ny fomba amam-panaon'ny maro ireo mpitarika. Ny taonjato fahefatra sy fahadimy dia vanim-potoan'ny marimaritra iraisana izay nampifangaroan'ireo mpitarika tao amin'ny fiangonana ny fanao jentilisa tamin'ny fampianarana kristianina.

Na tao anatin'ireo fotoan-tsarotra indrindra teo amin'ny fiainana aza dia niaraka tamin'ny olony mandrakariva Andriamanitra. Nahita an'i Jesôsy, Ilay "lalana sy fahamarinana ary fiainana" izy ireo; ary noho ny herin'ny Fanahy Masina dia tafajoro izy ireo na dia niatrika fanerena mafy aza mba handao ny faharesen-dahatra tao anatiny. Nitoetra ho mahatoky tamin'ny sitrapon'Andriamanitra voambara ao amin'ny Soratra Masina izy ireo, ka niaro ny fahamarinan'ny Teniny tamin-kerim-po na teo aza ny fanerena natao taminy mivantana na ankolaka. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal