Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDRAKIZAY ROA 

Daty
Alakamisy 27 June 2024

Vakio ny 2 Kôr. 5:10; Rôm. 14:10,11 ary ny Apôk. 20:11-15. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny antony hananganana indray ny ratsy fanahy?

Mba hamahana ny olan'ny fahotana ka tsy hisehoan'ny faharatsiana intsony, dia tsy maintsy resy lahatra ny rehetra fa manao ny rariny Andriamanitra ary marina eo amin'ny lalany rehetra. Amin'ny farany, dia hilefitra ny lohalika rehetra ary hiaiky ny rariny ataon'Andriamanitra ao amin'ny fifanandrinana lehibe, eny fa na i Satana sy ireo anjely ratsy aza dia hiaiky fa tsy misy na Inona na Inona afaka manamarina ny fikomiana atao amin'Andriamanitra. Mariho izao hevitra nosoratan'i Ellen G. White izao: "Raha vantany vao nosokafana ny boky firaketana ka mitopy amin'ny ratsy fanahy ny mason'i Jesôsy , dia tsaroan'izy ireo ny fahotana rehetra nataony hatrizay. Hitany tsara ny toerana izay nivilian'ny diany hiala ny lalan'ny fahadiovana sy ny fahamasinana, hitany koa ny lalana nitondran'ny avonavony sy ny fikomiany azy handika ny lalan'Andriamanitra. Ny fakam-panahy mamitaka izay nomeny toerana tamin'ny fanaranany fo tamin'ny fahotana, ireo fitahiana nampiasaina tamin'ny tsy izy, ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra natao tsinontsinona, ireo fampitandremana nolavina, ireo onjam-pamindrampo nasesiky ny fo mafy sy tsy mibebaka hiverin-dalana izany rehetra izany dia toa voasoratra tamin'ny soratra afo avokoa. (...)

Voantso hiseho eo anatrehan'ny fitsaran'Andriamanitra avokoa ny ratsy fanahy rehetra, voampanga ho namadika ny fitondram-panjakan'ny lanitra. Tsy misy mpisolovava hiaro azy ireo; tsy manana fialan-tsiny izy; koa dia mivoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy amin'ny fahafatesana mandrakizay."- HM, tt. 693, 695.

Vakio ny Apôk. 20:9; Sal. 37:20 ary ny Mal. 3:19. Inona no hevitra ambaran'ireo andalan-teny ireo amintsika mikasika ny famongorana farany atao amin'ny fahotana sy ny mpanota ary ny valisoa homena ny marina?

Izao no vaovao mahafaly: haringana ao amin'ny farihy mirehitra afo i Satana sy ireo anjely ratsiny. Ho foana tanteraka ny fahotana sy ny mpanota. Araka ny Apôk. 20:10, dia ho levona sy ho ringana izy ireo fa tsy hampijaliana mandrakizay tsy akory. Ampiasaina eto ny teny hoe "mandrakizay mandrakizay." Miankina amin'ny tontolon-kevitra, ny teny hoe "mandrakizay" dia tsy midika mandrakariva hoe "tsy misy fiafarana", fa azo ilazana ny hoe "mandra-pahatanteraka ny zavatra anankiray" izany (jereo ny Eks. 21:6; 1 Sam. 1:22, 28; Joda 7; ary ny 2 Pet. 2:4-6). Ho an'ireo very, ny faharinganana fa tsy ny asa fandringanana no mandrakizay. Tsy mpampahory mandrakizay Andriamanitra.

Amin’ny farany, dia mandrakizay roa no miandry ny olona rehetra. Ny very dia handray ny "tambiny" izay sahaza ny asan’ny fahafatesana mandrakizay. Nahoana no ao amin'ny fitokiana amin'ny fahamarinan'i Jesôsy no hany fanantenana ho antsika mba tsy handraisantsika ny tambiny sahaza antsika, dia ny fahafatesana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal