Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIANDRASA AN’I JEHOVAH

Daty
Sabotsy 23 March 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 27:14; Rém. 8:18-25; Sal. 131; Mat. 18:3; Sal. 126; Sal. 92; Mar. 16:1-8; 2 Pet. 1:19,

Tsianjery: “Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.” - Sal. 27:14.

Tonga eo amin'ny herinandro farany amin'ny fandalinana momba ny Salamo nandritra ity telovolana ity isika. Izany dia lavitra ara-panahy izany dia nitondra antsika namakivaky fanandramana mahatalanjona manoloana llay Mpamorona lehibe sy Mpanjaka ary Mpitsara. Nandalovantsika ny fifaliana vokatry ny fanafahan’Andriamanitra sy ny famelany heloka ary ny famonjena. Nandalovantsika ireo fotoana nahatsapana ho nafoy tao anatin’ny alahelo sy ny fitarainana; ary hitantsika ireo teny fikasana be voninahitra momba ny fanatrehan’Andriamanitra mandrakizay sy ny firesahana sahady ny amin'ny fiankohofan'ny voary manontolo amin’Andriamanitra mandrakizay. Mitohy ny dia, miaina ao anatin’ny fanantenana ny fiavian'ny Tompo isika, ary ho tonga amin'ny fahatanterahana ny faniriantsika fatratra an’Andriamanitra. Raha misy tsoa-kevitra azontsika tsoahina avy amin’ny Salamo, dia izao izany: “Miandrasa an'i Jehovah.”

Tsy fitomotomoeram-poana sy fitoerana anatin'ny fahakiviana tsy akory ny fiandrasana an‘i Jehdvah. Tsy izany, fa asam-pitokiana sy asam-pinoana izany, fitokiana sy finoana izay aseho amin'ny asa. Manova ny takarivantsika matroka ho fiandrandrana ny maraina mamiratra ny fiandrasana an‘i Jehovah (Sal. 30:5; Sal. 143:8). Mampahatanjaka ny fontsika amin’ny fanantenana vaovao sy fiadanana izany. Mandrisika antsika hiasa bebe kokoa izany, mba hitondrantsika ny amboaran'ny fijinjana be avy amin'ny saha fiasan’Andriamanitra (Sal. 126:6; Mat. 9:36-38). Tsy hitondra fahafaham-baraka ho antsika na oviana na oviana ny fiandrasana an'i Jehovah fa hitondra valisoa lehibe, satria mahatoky amin'ny teny fikasany rehetra Andriamanitra (Sal. 37:11, 18, 34; Sal. 71:1; Sal. 119:137, 138).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal