Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny andron'ny faharatsiana

Daty
Alahady 28 January 2024

Vakio ny Sal. 74:18-22 sy ny Sal. 79:5-13. Inona no lohahevitra resahina eto?

Maniry fatratra ny hahatakatra ny fifanandrinana lehibe eo amin'Andriamanitra sy ny herin'ny ratsy ny mpanao Salamo, ary asongadiny ny fahari-pon'Andriamanitra tsy mety ritra sy ny fahendreny ary ny heriny tsy manam-petra.

Ny olan'ny faharatsiana ao amin'ny Salamo dia ara-teôlôjia voalohany indrindra. Tsy afa-miala amin'ny firesahana momba an'Andriamanitra izany. Fanafintohinana eo imason'Andriamanitra ny faharavan'i Jerosalema sy ny tempoly satria nahatonga ny Jentilisa hiteny ratsy ny Anarany izany. Ny lovan'i Jehovah (ny vahoakan'ny Isiraely) no famantarana ny fifidianan'Andriamanitra sy ny fanekena nataony izay tsy mandiso fanantenana na oviana na oviana (Deo. 4:32-38; Deo. 32:8,9). Ahitana hevitra mifandraika amin'ny andro farany koa ny foto-kevitra mikasika ny lovan'i Jehovah satria indray andro any dia ho tonga lovan'i Jehovah ny firenena rehetra ary hanompo Azy. Ny fanafihan'ny firenena rehetra ny lovan'i Jehovah dia loza mitatao ho an'ireo teny fikasan'Andriamanitra ireo.

Tsy isalasalana ny faneken'ny mpanao Salamo fa ny fahotan'ireo vahoakany no nanimba ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny olony araka ny fanekena, ary nahatonga ny vokatr'izany rehetra hianjera tamin'izy ireo (Sal. 79:8,9). Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra noho ny fahasoavany sy ny famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana araka ny fanekena amin'ny alalan'ny fanavotana noho ny ota irery ihany no iankinan'ny fitohizan'ny fahaveloman'ny olona. Jehovah no "Andriamanitry ny famonjena anay": maneho ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny teny fikasany araka ny fanekena nataony izany (Sal. 79:9).

Zava-dehibe noho ny famerenana amin'ny laoniny ny haren'ny Isiraely anefa ny fiarovana ny toetran'Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao (Sal. 79:9). Raha tsy valiana ny asa ratsy ataon'ireo firenen-tsamy hafa dia maneho izany fa verin'Andriamanitra ny fahefana ananany (Sal. 74:18-23; Sal. 83:16-18; Sal. 106:47). Tsy ho voamarina sy hisandratra ny anaran'Andriamanitra raha tsy mamonjy ny olony Izy.

Efa nisy izany fitsipika izany tamin'izany andro izany, tahaka ny amin'izao andro izao ihany. Ny fahotantsika sy ny fihemorantsika ary ny faharatsiantsika dia tsy hanala baraka antsika irery ihany, fa ny ratsy indrindra dia hitondra fahafaham-baraka ho an' Andriamanitra izay torintsika izany. Mety hitera-bokatra manimba ara-panahy eo amin'ny fijoroana ho vavolombelona sy ny asa atao ny zavatra tsy mety ataontsika. Firifiry moa ny olona niala tamin'ny finoantsika noho ny zavatra nataon'ireo izay mitonona ho Kristianina?

"Voafaoka ao amin'ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahin'ny vahoakany ny voninahitr' Andriamanitra sy ny voninahitr'i Kristy."- IFM, t. 725. Ahoana ny fahatakaranao izany fahamarinana manan-danja izany, ary inona no tokony ho hevitr'izany eo amin'ny fiainana maha-Kristianina anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal