Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY NIANTSOANA AN'I LEVY SY NY AMIN'NY FIFADIAN-KANINA

Daty
Alatsinainy 15 July 2024

Vakio ny Mar. 2:13-22. Iza moa i Levy zanak'i Alfeo, ary nahoana no niteraka adihevitra ny nandraisana azy ho mpianatr'i Jesôsy?

Ny mpamory hetra tamin'ny andron'i Jesôsy dia olon-tsotra, mpiasa ter ambanin'ny fahefan'ny fitondram-panjakana romanina. Nankahalaina teo amin'ny fiarahamonina jiosy tany Jodia izy ireo satria matetika no naka vola mihoatra noho izay tokony halainy, ka nanjary nanan-karena noho ny fangalarana amin'ny mpiray firenena aminy. Misy fanazavana jiosy momba ny lalana ara-pivavahana ao amin'ny "Mishnah tractate Tohoroth" manao hoe: "Raha miditra ao amin'ny trano iray ny mpamory hetra dia tonga maloto avokoa ny trano sy izay rehetra ao anatiny (...)"

Koa tsy mahagaga raha nanao teny feno tsy fankasitrahana tamin'ny mpianatra ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!"

Inona no nasetrin'i Jesôsy izany? Tsy nolaviny izany, fa nohazavainy kosa fa tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. Dia toy izany no nanehoany ny Tenany ho mpitsabo ny fanahy, Izay mahay manasitrana ny aretim-pahotan'ny fanahy. Koa tsy tokony ho any amin'izay misy ny marary ve no misy ny dokotera koa?

Miresaka lohahevitra vaovao indray ny Mar. 2:18-22. lo tantara io no eo afovoan'izy dimy, izay samy ahitana fifanoherana. Miresaka fiaraha-misakafo, izay fanasana nataon'i Levy, ny tantara eo alohany. Fa ity tantara ity kosa dia miresaka momba ny fifadian-kanina. Nipetraka ny fanontaniana hoe: nahoana ny mpianatr'i Jesôsy no tsy mifady kanefa ny mpianatr'i Jaona mpanao batisa sy ny mpianatry ny Fariseo kosa mifady? Nanao sary an'ohatra na fanoharana i Jesôsy ho setrin'izany. ka nohariny amin'ny fanasana amin'ny fampakaram-bady ny fanatrehan'ny Tenany. Ho hafahafa tokoa raha mifady hanina avokoa ny olona rehetra nasaina ho amin'ny fampakaram-bady. Kanefa eto dia milaza mialoha i Jesôsy fa ho avy ny andro izay hanalana ny mpampakatra tsy ho eo amin'izy ireo - toy izany no niresahany momba ny hazo fijaliana - ka amin'izay dia hisy tokoa ny fotoana hifadian-kanina.

Notohizan'i Jesôsy tamin'ny sary an'ohatra roa manasongadina ny fifanoheran'ny fampianarany amin'ny an'ireo mpitondra fivavahana izany: dia ny fanjairana tapa- damba tsy mbola voalona amin'ny lamba tonta, ary ny fanisiana divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. Mahaliana tokoa io fomba fampitahana ny fampianarani Kristy amin'ny fampianaran'ny Fariseo io. Maneho izany fa niharatsy tokoa ny fomban'ireto mpampianatra ireto. Na ny fivavahana marina aza dia mety ho tonga fahamaizinana rehefa tsy mitandrina ny olona.

Iza ireo olona izay toy ny fandraisan'ny fiarahamonina ireo mpamory hetra tamin'ny andron'l Jesôsy no andraisan'ny fiarahamonina azy ankehitriny? Ahoana no tokony hanitsiantsika ny fomba fisainantsika mikasika azy ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal