Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VOAISY TOMBOKASE HO AN'NY LANITRA 

Daty
Alatsinainy 17 June 2024

Ao anatin'ny fotoan-tsarotra ho avy izay mahakasika ny fiankohofana, dia tsy hanaiky ho resin'ny fanerena ataon'izao tontolo izao ireo vahoakan'Andriamanitra mahatoky (Apôk. 14:12). Ny Fanahy Masina no nanisy tombokase azy ireo (Efes. 4:30), ary tsy ho voahozongozona izy. Tamin'ny andro fahiny, ny tombokase dia nanamafy ny fahamarinan'ny antontan-taratasy Ofisialy iray. Marika miavaka sy an'ny tompony manokana izany. Koa satria ny fiankohofana sy ny fahefan'Andriamanitra araka izay ambaran'ny Lalàny no ivon'ny fifanandrinana farany, dia heverintsika fa voarakitra ao amin'ny Lalàn'Andriamanitra ny tombokaseny (ampitahao amin'ny Isa. 8:16).

Vakio ny Eks. 20:8-11. Singa inona ao amin'ny tombokase no hita ao amin'ny didy mikasika ny Sabata?

Indreto misy singa telo hita ao amin'ny tombokase anankiray: (1) ny anaran'ny tompon'ilay tombokase, "Jehôvah Andriamanitrao." (2) ny toerana tanany, Ilay "nanao..." - ny Mpamorona. (3) Ny fari-piadidiany, "ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy." Matetika no iantsoana ny tombokase hoe famantarana ao amin'ny Baiboly (Rôm. 4:11). Azo ampifandimbiasana ny fampiasana ireo teny ireo. Famantarana na tombokase ao amin'ny fon'ny Lalàn'Andriamanitra ny Sabata, ary izany no ivon'ny fifanandrinana farany mahakasika ny fiankohofana (Ezek. 20:12,20; 12:17). Ampitahao amin'ny Apôk. 13:16, 17 ny Apôk. 7:1,2 sy ny Apôk. 14:1. Aiza no andraisana ny tombokasen'Andriamanitra sy ny mariky ny bibidia? Araka ny hevitrao, nahoana no misy fahasamihafana eo amin'ny fandraisana izany?

Eo amin'ny handrina no apetraka ny tombokasen'Andriamanitra. Sary maneho ny fisainana sy ny fanapahan-kevitra vokatry ny fieritreretana ny handrina. Ny mariky ny bibidia indray dia raisina eo amin'ny handrina na ny tanana, izay manondro fa resy lahatra ny sain'ny olona ary vokatry ny safidiny manokana no anekeny ireo laingan'i Satana, raha tsy izany indray dia manaraka ny fiankohofana sandoka izy ireo mba tsy hovonoina.

Halan'ny devoly ny olona mankato an'Andriamanitra. Tonga amin'ny fara tampony ny fifanandrinana lehibe rehefa injay i Satana miady amin'ireo mpino sisa izay "mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy - Apôk. 14:12. Mitoetra mafy ao amin'ny fahatokiany amin'i Kristy izy ireo.

Ny fahatokiana amin’Andriamanitra isan’andro isan'andro no tsiambaratelon'ny fahavononana ho amin'ny fotoan-tsarotra farany, nahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal