Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana ho any an-danitra ve ianao?

Daty
Alahady 13 October 2024

"Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin 'Andriamanitra ho an 'izay tia Azy." 1 Kôr. 2:9. 

Mofon’aina:
Misy asa lehibe miandry antsika. Mila finoana lehibe kokoa an'i Kristy sy ny Ray isika satria tsy maintsy ananantsika io, raha tsy izany dia hatao ho isan'ny tsy mpino isika. Be ny fotoana fanararaotra, ary be tokoa ny asa hotanterahina. Mila ny fanamasinan'ny Fanahy Masina isika. (...) Ny fanamasinana avy amin'ny fahamarinana, izay hampiorina mafy ny olona amin'ny finoana, dia hahatonga ny olona ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra.

Manjary iray amin'i Kristy izy ireo, rehefa miray amin'Ilay Loharanon'ny hery rehetra eo am-pitozoany amin'ny fanatanterahana ny adidy, eo am-panitarany ny fahalalany ny fitiavan'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy, mandra-pahatanteraka azy ireo miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.

Tsy hay lazaina ny voninahitra miandry ireo mpandresy mahatoky. (...) Hisandrahaka tahaka ny sedera izy ireo, ary azo antoka fa hitombo ny fahalalany. Ary isaky ny dingana iray handrosoany amin'ny fahalalana dia ho hitany fa lavitra tanteraka amin'izay nantenainy ny zava-misy marina.
"Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an 'izay tia Azy. " - 1 Kôr. 2:9. Ny asantsika ankehitriny dia ny miomana ho amin'ireo fitoerana izay amboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy ka mitandrina ny didiny (...). Hohalalahin'ny Tompo Jesôsy ny saina sy ny fo tsirairay mba handraisany ny Fanahy Masina. (...) 

Inona ny fiomanana efa ataonao hiatrehana ny hoavy? (...) Zavatra lehibe sy tsara lavitra noho izay ataonao ankehitriny no ilainao. Amin'ny fanaovanao ny tsara dia misy hery miasa mangina avy aminao, na fantatr'olona izany na tsia. Amin'ny maha-olony anao, dia mendrika ny tsara kokoa avy aminao Andriamanitra, mihoatra noho izay efa nomenao Azy. Saino tsara izao: eo ambany fanevan'ny Mpanjaka Imanoela ve ianao sa eo ambany faneva maintin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao? Manana adidy ianao hampiasa ny fahefana sy hamerina ny vola nampindramin'ny Tompo anao, ho fampandrosoana ny asany sy hanomezam-boninahitra ny anarany. — UL, t. 151.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal