Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihinana ny ravin'ny hazon'aina 

Daty
Alahady 20 October 2024

"(...) Ary teny an-daniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro." - Apôk. 22:2. 

Mofon’aina:
Tsy maintsy miandry ho tafafindra any an-danitra ve isika vao hihinana ny ravin'ny hazon'aina? Izay mandray ny tenin'i Kristy ao am-pony dia mahalala ny atao hoe mihinana ny ravin'ny hazon' aina. (...)

Ny fahalalana izay avy amin' Andriamanitra no mofon'aina. Io no ravin' ny hazon'aina ho fanasitranana ny firenena maro. Velona ny aim-panahy rehefa inoana sy ampiharina ny tenin'i Kristy. Toy izany no hahatonga antsika ho iray amin'i Kristy. Mihamatanjaka ny fanandramantsika izay marefo teo aloha. Izany no fiainana mandrakizay raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny finoana nananantsika tany am-boalohany. (...)

 Manadio antsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra ny fahamarinana, ary manomana ny fanahy ho amin'ny fanatrehan'i Kristy. Manjary ao anatintsika i Kristy, Izay fanantenana ny voninahitra. (...) Zava-dehibe tokoa ny hananan'ireo izay manolo-tena hitandrina ny didin'Andriamanitra fahalalana tsara ny Soratra Masina, araka ny fahaizany misaina. Toy izany no hianarantsika ny fandavan-tena sy ny fahatokiana tanteraka amin 'Andriamanitra amin'ny fampiasana ny fananany. Ny hahatakarantsika ny sitrapon' Andriamanitra no nanomezany antsika ny Baiboly. (...) 

Tsy manana fialan-tsiny ny ray aman-dreny raha mandà tsy hahazo fahalalana mazava kokoa momba ny sitrapon'Andriamanitra. Izany ihany mantsy no fomba ahafahany mitondra ny zanany ho any an-danitra. Ranadahy sy rahavavy, adidinareo ny mahatakatra ny fitakian'Andriamanitra. (...)

Tsy maintsy ataontsika anton-draharahany manao izay ahatakarana ny sitrapon'Andriamanitra; tsy misy afa-tsy izany no hahaizantsika manabe ny zanatsika araka ny tokony ho izy. Aoka ho araka ny sitrapon'Andriamanitra ny teninao rehetra sy ny fihetsikao, ka tsy hanaraka ny fisainana sy ny fanaon'ireo izay mandà tsy hankatô an'Andriamanitra. (...)

"Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehôvah, mamelombelona ny fanahy" — Sal. 19:7. Tsy misy tsy nomen'Andriamanitra izay rehetra ilain'ny zanany mba hampazava ny sainy. Tsy misy fialan-tsiny ho an'ny mpandika ny lalàna; tsy afaka hilaza izy ireo fa tsy nampahafantarina, na koa hoe tsy nofaritana mazava ny lalana mankany an-danitra. — UL, t. 224. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal