Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihinana ny ravin'ny hazon'aina 

Daty
Alahady 20 October 2024

"(...) Ary teny an-daniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro." - Apôk. 22:2. 

Mofon’aina:
Tsy maintsy miandry ho tafafindra any an-danitra ve isika vao hihinana ny ravin'ny hazon'aina? Izay mandray ny tenin'i Kristy ao am-pony dia mahalala ny atao hoe mihinana ny ravin'ny hazon' aina. (...)

Ny fahalalana izay avy amin' Andriamanitra no mofon'aina. Io no ravin' ny hazon'aina ho fanasitranana ny firenena maro. Velona ny aim-panahy rehefa inoana sy ampiharina ny tenin'i Kristy. Toy izany no hahatonga antsika ho iray amin'i Kristy. Mihamatanjaka ny fanandramantsika izay marefo teo aloha. Izany no fiainana mandrakizay raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny finoana nananantsika tany am-boalohany. (...)

 Manadio antsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra ny fahamarinana, ary manomana ny fanahy ho amin'ny fanatrehan'i Kristy. Manjary ao anatintsika i Kristy, Izay fanantenana ny voninahitra. (...) Zava-dehibe tokoa ny hananan'ireo izay manolo-tena hitandrina ny didin'Andriamanitra fahalalana tsara ny Soratra Masina, araka ny fahaizany misaina. Toy izany no hianarantsika ny fandavan-tena sy ny fahatokiana tanteraka amin 'Andriamanitra amin'ny fampiasana ny fananany. Ny hahatakarantsika ny sitrapon' Andriamanitra no nanomezany antsika ny Baiboly. (...) 

Tsy manana fialan-tsiny ny ray aman-dreny raha mandà tsy hahazo fahalalana mazava kokoa momba ny sitrapon'Andriamanitra. Izany ihany mantsy no fomba ahafahany mitondra ny zanany ho any an-danitra. Ranadahy sy rahavavy, adidinareo ny mahatakatra ny fitakian'Andriamanitra. (...)

Tsy maintsy ataontsika anton-draharahany manao izay ahatakarana ny sitrapon'Andriamanitra; tsy misy afa-tsy izany no hahaizantsika manabe ny zanatsika araka ny tokony ho izy. Aoka ho araka ny sitrapon'Andriamanitra ny teninao rehetra sy ny fihetsikao, ka tsy hanaraka ny fisainana sy ny fanaon'ireo izay mandà tsy hankatô an'Andriamanitra. (...)

"Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehôvah, mamelombelona ny fanahy" — Sal. 19:7. Tsy misy tsy nomen'Andriamanitra izay rehetra ilain'ny zanany mba hampazava ny sainy. Tsy misy fialan-tsiny ho an'ny mpandika ny lalàna; tsy afaka hilaza izy ireo fa tsy nampahafantarina, na koa hoe tsy nofaritana mazava ny lalana mankany an-danitra. — UL, t. 224. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal