Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Talenta ampiasaina araka ny tokony ho izy

Daty
Alarobia 26 March 2025

 "Ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-miafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy, mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako." - Kôl.4:3,4.

Mofon’aina: 
Tsy niankina tamin'ny kisendrasendra ny nanomezan'Andriamanitra ny talenta. Izy ilay mahalala ny zavatra rehetra sy mahafantatra tsara ny tsirairay no nanome asa ho an'ny olona tsirairay. (...) Zahan'Andriamanitra toetra isan'andro ny lehilahy sy ny vehivavy, mba hahitany raha toa izy ireo miaiky fa Izy no Mpanome ny zavatra rehetra ananany. Jereny raha toa izy ireo mampiseho ny maha-mendrika ny harena mandrakizay azy. Ny fomba fampiasany ny fananana sarobidy nomen'Andriamanitra azy no manapaka izay ho anjarany mandrakizay.

Amin'ireo fanomezana rehetra izay nomen'Andriamanitra ny zanany, dia tsy misy mety ho tonga fitahiana lehibe kokoa noho ny fitenenana. Amin'ny alalan'ny teny no andresentsika lahatra (...); amin'ny alalany koa no ivavahantsika sy iderantsika an'Andriamanitra; ary amin'ny alalany no ilazantsika amin'ny hafa ny fitiavan' ilay Mpanavotra. Tian' Andriamanitra raha atokantsika ho amin'ny fanompoana Azy io fanomezana iray io (...). Ary raha manapaka ao am-pontsika i Kristy dia hiseho eo amin'ny tenintsika ny fahadiovan'ny toetra novolavolainy sy ny hatsaran-tarehy ary ny hanitr'izany. (...) Tandremo tsara ny teny lazainao. (...)

Manana hery miasa mangina eo amin'ireo mifanerasera aminy ny tsirairay avy amintsika. Andriamanitra no nanome antsika izany hery miasa mangina izany, ary tompon'andraikitra ny amin'ny fomba ampiasana izany isika. Fikasan'Andriamanitra ny hampiasana izany amin'ny tsara kanefa miankina amintsika ny fanapahan-kevitra raha toa ho madio sy manandratra ny hery miasa mangina avy amintsika na ho tahaka ny aretin-dratsy mahafaty. Ireo izay mpiombona amin'ny toetran'Andriamanitra dia hampiasa hery miasa mangina tahaka ny an'i Kristy. Miaraka amin'izy ireo eny an-dalana ny anjely masina, ary mahazo fanampiana sy fitahiana izay rehetra mifanerasera aminy. Ireo izay tsy mandray an'i Kristy ho Mpamonjiny manokana kosa dia tsy afaka hampiasa hery miasa mangina ho amin'ny tsara eo amin'ny hafa. (...) Tsy manana fanantenana ny amin'ny fiainana mandrakizay izy ireo, ary tarihiny ho amin'ny fahaverezana ny hafa amin'ny ohatra asehony (...). - ST, 21 Janoary 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal