Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Talenta ampiasaina araka ny tokony ho izy

Daty
Alarobia 26 March 2025

 "Ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-miafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy, mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako." - Kôl.4:3,4.

Mofon’aina: 
Tsy niankina tamin'ny kisendrasendra ny nanomezan'Andriamanitra ny talenta. Izy ilay mahalala ny zavatra rehetra sy mahafantatra tsara ny tsirairay no nanome asa ho an'ny olona tsirairay. (...) Zahan'Andriamanitra toetra isan'andro ny lehilahy sy ny vehivavy, mba hahitany raha toa izy ireo miaiky fa Izy no Mpanome ny zavatra rehetra ananany. Jereny raha toa izy ireo mampiseho ny maha-mendrika ny harena mandrakizay azy. Ny fomba fampiasany ny fananana sarobidy nomen'Andriamanitra azy no manapaka izay ho anjarany mandrakizay.

Amin'ireo fanomezana rehetra izay nomen'Andriamanitra ny zanany, dia tsy misy mety ho tonga fitahiana lehibe kokoa noho ny fitenenana. Amin'ny alalan'ny teny no andresentsika lahatra (...); amin'ny alalany koa no ivavahantsika sy iderantsika an'Andriamanitra; ary amin'ny alalany no ilazantsika amin'ny hafa ny fitiavan' ilay Mpanavotra. Tian' Andriamanitra raha atokantsika ho amin'ny fanompoana Azy io fanomezana iray io (...). Ary raha manapaka ao am-pontsika i Kristy dia hiseho eo amin'ny tenintsika ny fahadiovan'ny toetra novolavolainy sy ny hatsaran-tarehy ary ny hanitr'izany. (...) Tandremo tsara ny teny lazainao. (...)

Manana hery miasa mangina eo amin'ireo mifanerasera aminy ny tsirairay avy amintsika. Andriamanitra no nanome antsika izany hery miasa mangina izany, ary tompon'andraikitra ny amin'ny fomba ampiasana izany isika. Fikasan'Andriamanitra ny hampiasana izany amin'ny tsara kanefa miankina amintsika ny fanapahan-kevitra raha toa ho madio sy manandratra ny hery miasa mangina avy amintsika na ho tahaka ny aretin-dratsy mahafaty. Ireo izay mpiombona amin'ny toetran'Andriamanitra dia hampiasa hery miasa mangina tahaka ny an'i Kristy. Miaraka amin'izy ireo eny an-dalana ny anjely masina, ary mahazo fanampiana sy fitahiana izay rehetra mifanerasera aminy. Ireo izay tsy mandray an'i Kristy ho Mpamonjiny manokana kosa dia tsy afaka hampiasa hery miasa mangina ho amin'ny tsara eo amin'ny hafa. (...) Tsy manana fanantenana ny amin'ny fiainana mandrakizay izy ireo, ary tarihiny ho amin'ny fahaverezana ny hafa amin'ny ohatra asehony (...). - ST, 21 Janoary 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal