Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahazavana bebe kokoa hatrany

Daty
Zoma 11 April 2025

"Ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin 'ny lanitra." - Mpitt. 1:13.

Mofon’aina:
Na manao ahoana na ahoana fandroson' ny fahalalan' ny olombelona, aoka tsy hisy hieritreritra, na kely aza, fa tsy ilaina ny mandalina mitohy ny Soratra Masina mba hahazoana fahazavana bebe kokoa. Antsoina isika tsirairay handinika ny faminaniana, amin'ny maha-vahoakan'Andriamanitra an-tsika. Tsy maintsy fantarintsika tsara ny tara-pahazavana rehetra atolotr 'Andriamanitra antsika. Tokony horaisintsika ny tara-pahazavana voalohan'ny fahamarinana, ary amin'ny fandinihana amim-bavaka dia hahazo fahazavana bebe kokoa isika, izay azo zaraina amin'ny hafa.

 Raha milamina sy afa-po amin'ny fahazavana ananany ankehitriny ny vahoakan'Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy hankasitraka azy ireo Izy amin'izany. Sitrapony ny handros oan'izy ireo hatrany ka handraisany fahazavana mitombo hatrany. Tsy mahafaly an 'Andriamanitra ny toe-tsain'ny fiangonana ankehitriny. Nanjary natoky tena ny fiangonana ka tsy mahatsapa ny filany fahamarinana sy fahazavana bebe kokoa. Miaina ao anatin'ny vanim-potoana izay iasan'i Satana mafy etsy sy eroa isika, dia eo ankavanana sy ankavia, eo aloha sy ao aoriana; nefa dia matory isika vahoakan'Andriamanitra. Fanirian' Andriamanitra ny hisian'ny antso avo 
manetsika ny vahoakany ho amin'ny asa. 

Tsy mandray ny tara-pahazavana avy any an-danitra ny olona sasany fa ny mifanohitra amin'izany. Samy namoaka ny heviny momba ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra na ny pejy voasoratra na ny mpitoriteny eny amin'ny polipitra, kanefa tsy ankasitrahan'ny Fanahy Masina na ny Tenin'Andriamanitra. Tsy isalasalana fa tsy misy olombelona na vondron' olombelona tokony hanao tsangan-kevitra momba ny lohahevitra lehibe toy izany, raha tsy misy ny "Izao no lazain'i Jehôvah" mazava manohana azy.

 Ary rehefa olona be fahalemena, mora andairan' ny fitaoman'ny manodidina amin'ny lafiny sasany, sy mananafironana na toetranokolokoloina izay lavitry ny fahendrena na ny fisainana ara-panahy, no mamakafaka ny Tenin'Andriamanitra sy manandrana mitsara momba izay atao hoe avy amin'Andriamanitra sy avy amin'olombelona, dia miasa tsy misy tolo-tsaina avy amin'Andriamanitra izy ireo. Tsy hambinin'ny Tompo izany asa izany. Ho loza ny vokany, na ho an'izay manao ilay asa na ho an'izay manaiky izany ho asa avy amin'Andriamanitra. - TFC, b. 5, tt. 708,709.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal