Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Diniho tsara ny foto-pinoana tsirairay

Daty
Sabotsy 12 April 2025

 "Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina." Mpitt. 7:25.

Mofon’aina:
Naseho ahy fa maro amin' ireo izay milaza ho manam-pahalalana momba ny fahamarinana ankehitriny no tsy mahalala akory izay inoany. Tsy takany ireo porofon'ny finoany. Tsy ankasitrahany ny asa atao ho an'ny ankehitriny. Rehefa ho avy ny fotoan'ny fizahan-toetra, dia misy olona izay mitory amin'ny hafa amin'izao fotoana izao, rehefa mandinika ny toerana misy azy, hahita fa tsy fantany mazava izay antony itoriany. Tsy fantany ny tsy fahalalany raha tsy teo izany fizahan-toetra izany. (...) 

Rehefa tafasaraka amin'ireo izay miray finoana aminy izy ka voatery hijoro irery hanazava ny finoany dia ho gaga fa mikorontana ny heviny mikasika izay nekeny ho fahamarinana. Tsy isalasalana fa nanalavitra an'Andriamanitra velona isika ary nitodika tany amin'ny mety maty, ka fahendren' olombelona no natakalontsika ny fahendren' Andriamanitra. 

Hamoha ny vahoakany Andriamanitra. (...) Miantso ireo rehetra mino ny teniny Andriamanitra mba hifoha amin'ny torimasony. Tonga ny fahazavana sarobidy, mifanaraka indrindra amin'izao andro izao. Fahamarinana ara-Baiboly izany, izay mampiseho ireo loza mananontanona antsika. Tokony hitarika antsika ho amin'ny fianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina sy ny fandinihana akaiky sy lalina ny foto-kevitra tanantsika, io fahazavana io. Tian'Andriamanitra ny handalinantsika amim-paharetana ireo foto-kevi-dehibe tsirairain' ny fahamarinana, amim-bavaka sy amim-pifadian-kanina. Tsy tokony hianina amin'ny fanombantombanana sy ny hevitra tsy marim-pototra mikasika ny atao hoe fahamarinana ny mpino. Tokony hiorina mafy amin'ny tenin'Andriamanitra ny finoany, ka raha ho avy ny fotoam-pizahan-toetra ka hoentina eo anatrehan'ny filan-kevitra izy ireo hamaly ny amin'ny finoany, dia afaka hanome ny anton'ny fanantenana ao anatiny amin'ny fahalemem-panahy sy fanajana. (...)

Ireo izay nanazatra ny tenany ho havanana amin'ny fandaharan-kevitra dia ahina mafy tsy hihazona ny Tenin'Andriamanitra amim-pahitsiana. Eo anatrehan'ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika dia tokony hanao ezaka matotra isika mba haneho ireo lohahevitra amin'ny fomba mampifoha ny faharesen-dahatra ao an-tsainy, fa tsy ny hitady izay hahazoan' ilay mpino toky fotsiny. - TFC, b. 5, tt. 707,708. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal