Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Diniho amim-pahatsoram-po ny teny.

Daty
Alatsinainy 14 April 2025

‘’Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.’’ Sal. 25:5. 

Mofon’aina:

Mampidi-doza ny manao ny nofo ho sandrintsika. Ny sandrin’Ilay hery tsy manam-petra no tokony hianteherantsika. An-taonany maro no efa nanambaran’ Andriamanitra tamintsika izany. Tsy maintsy manana finoana velona ao am-po isika, ary mikatsaka fahalalana sy fahazavana bebe kokoa.

Aza mitoky amin’ny fahendren’olombelona na ny fikarohana ataony, na iza izy na iza. Diniho ho an’ny tenanao manokana ny Soratra Masina, amin’ny fo mietry, ary esory ao an-tsainao ireo hevitra mibahana mialoha; tsy hahazo tombontsoa mihitsy ianao raha tsy mankeo amin’ny Tenin’Andriamanitra toy ny zaza. Izao no tokony holazainao: “Raha misy zavatra efa nomanin’Andriamanitra ho ahy, dia iriko ho azo izany. Raha misy olona efa nomen’ Andriamanitra porofo avy ao amin’ny Teniny fa marina ny zavatra iray, dia homeny ahy koa izany porofo izany. Ho hitako ny porofo raha dinihiko amim-bavaka sy faharetana ny Soratra Masina, ary amin’izay no hahafantarako fa mahalala ny marina aho.”

Tsy amin’ny fisainan’olon-kafa no tokony hitorianao ny fahamarinana, fa amin’ny fisainanao manokana. Rehefa resy lahatra ilay vehivavy samaritanina fa i Jesôsy no Mesia dia nihazakazaka nanambara izany tamin’ny namany sy ny manodidina azy izy (Jereo ny Jao. 4:29,30,41,42).

Tokony hitrandraka lalina isika mba hahita ny fahamarinana. Azo atao ny mifanontany sy mifampiresaka, raha toe-tsaina tsara no anaovantsika izany; saingy matetika loatra no mibahana ny “izaho”, ary raha vao manomboka ny fifanakalozana, dia miseho ny toe-tsaina tsy kristianina. Izany indrindra no mahafaly an’i Satana. Amim-panetren-tena kosà no tokony hikatsahantsika ny fahamarinana ho an’ny tenantsika. Ho avy ny andro izay hampisaratsaraka sy hampihahaka antsika, ary tsy maintsy hijoro samirery ny tsirairay, tsy hanan-tombontsoa hifampiresaka intsony amin’ireo mpiray finoana sarobidy aminy. Koa ahoana no ahafahanao mijoro raha tsy eo anilanao Andriamanitra, mitarika sy mitantana anao? Isaky ny mandalina ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika, dia eo amintsika Ilay Lohan’ny fiangonana. Tsy avelan’ny Tompo ho eo an-tanan’ny mpanamory tsy mahay ny familiana na dia indray mipi-maso aza. Afaka mandray baiko avy amin’Ilay Kapitenin’ny famonjena antsika isika. – RH , 25 Marsa 1890.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal