Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza vakina fotsiny, fa diniho.

Daty
Alarobia 16 April 2025

"Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." - Jao. 5:39.

Mofon’aina:
Tokony ho velom-pisaorana isika fa manana teny faminaniana   azo antoka, mba tsy hisy amintsika ho voafitaka. Fantatsika fa misy fampianaran-diso sy angano eto amin'izao tontolo izao ankehitriny, ary maniry hahalala ny marina isika. Mila mandinika tsara isika mba hahazoantsika izany fahalalana izany. Tsy afaka manao izany amin'ny famakiana fotsiny n , iî:pratra Masina isika, fa tsy maintsy mampitaha ny Soratra Masina amin’ny Soratra masina. 

Tokony handalina ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika isika, mba tsy ho voafitaka; ary na maro aza no voafitaka noho ny fampianarana isan-karazany eto amin'izao tontolo izao, dia tokana ihany ny fahamarinana. Maro no mety hanatona anao ka hilaza ho manana ny fahamarinana, fa anjaranao ny mandinika ny Soratra Masina ho an'ny tenanao. "Ho amin'ny lalana sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan 'ny maraina." — Isa. 8:20. (...)

Aoka isika hamaly izay rehetra manontany antsika ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatintsika, amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanaj ana, hoy ny apôstôly. "Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an 'ny kely saina. " — Sal. 119:130. Tsy ampy ny mamaky fotsiny, fa tsy maintsy miditra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny Tenin'Andriamanitra, mba ho tafaorina amin'ny fahamarinana masina isika. Raha tsy mandinika ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika isika mba hahafantarantsika ny fahamarinana, dia ho tompon'andraikitry ny fahavere-zantsika (...). Na voafetra aza ny fisainantsika dia mety ho tonga manam-pahaizana momba ny Soratra Masina, amin'ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin'Andriamanitra, ary afaka hanazava izany amin'ny hafa.

Ny fiangonana rehetra hatsangana (...) dia tokony hampianarina momba io fahamarinana io. "Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. " — Mat. 9:38. Tsy afaka hitoetra eo anilanao mandrakariva ny mpampianatra hampiseho aminao ny fahamarinana mba tsy hanekenao ireo fahadisoana izay mameno ny tanintsika. Kanefa raha tafaorina ao amin'ny Soratra Masina ianao, dia hahatsapa ny andraikitrao ary handalina ny Soratra Masina ho an'ny tenanao, hahafahanao manampy ny hafa. — RH, 3 Avrily 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal