Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andro hanehoana famindrampo

Daty
Alahady 18 May 2025

"Ary Anao koa, ry Tompo ô,  ny famindrampo, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy." - Sal. 62:12.

Mofon’aina:
Handre ny vavaka atao amin'ny fo ilay Andriamanitra Tompon'ny Sabata. Hitari-dalana ireo izay mahatsapa ny fiankinany Aminy Izy, ary koa hitari-dalana ireo mpiasany mba ho maro ny fanahy tonga amin'ny fahalalana ny fahamarinana.

 Manana hery miasa mangina mahova ny sain'izay mandray azy ny fahamarinana ao amin'i Jesôsy . Aoka tsy hisy hanadino fa tsy irery izay miaraka amin'Andriamanitra, ary azo antoka fa ny fahombiazana no hamarana ny ezaka misionera rehetra. Fantatr'ireo izay manana fifandraisana velona amin'Andriamanitra fa miasa amin'ny alalan'ny olombelona ny lanitra. Ny fanahy rehetra izay miara-miasa amin'Andriamanitra dia hanao ny marina, ho tia famindrampo, ary hiara-mandeha Aminy amim-panetren-tena. 

Andriamanitry ny famindrampo ny Tompo, ary mihevitra na dia ny momba ireo biby tsy mahay miteny izay noforoniny aza. Rehefa nanasitrana tamin'ny andro Sabata Izy, ary nampangaina ho nandika ny didin'Andriamanitra, dia izao no nambarany tamin'ireo niampanga Azy: "moa tsy samy mamaha ny ombiny sy ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va hianareo ka mitondra azy hisotro rano? Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va? Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony." - Lio. 13:15-17. 

Mijery ireo voary noforoniny amim-pangorahana ny Tompo, na inona na inona fokom-pirenena misy azy ireo. "Ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin 'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an 'Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika." Asa. 17:26-28. 
Izao no nolazain'ny Mpamonjy raha niresaka izany tamin'ny mpianany: "(...) ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa." - Mat. 23:8. Raintsika rehetra Andriamanitra, ary samy mpitandrina ny rahalahiny avy isika. - RH, 21 Janoary 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal