Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho ny ohatry ny fahamasinan'ny Sabata.

Daty
Alatsinainy 19 May 2025

 "Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha." - Deo. 6:6,7.

Mofon’aina:
Nisy tsy fahombiazana tao amin'ny ankohonanao teo amin'ny fankamamiana ny fahamasinan'ny Sabata sy ny fampianarana ny zanakao ary ny fampitana aminy ny lanj an'ny fitandremana izany araka ny didy. Manjavozavo ny fahatakaranao ary tsy hainao ny manavaka ny fenitra ambony tokony hotratrarina mba hahatonga antsika ho mpitandrina ny didy. Hanampy anao amin'ny ezaka ataonao anefa Andriamanitra rehefa manao ny asa amin'ny fo tokoa ianao. Tokony hanana fifehezan-tena tanteraka ianao, amin'izany no hahombiazanao bebe kokoa amin'ny fifehezana ny zanakao rehefa tsy manaraka ny fitsipika izy ireo.

Asa lehibe no manoloana anao ho fanarenana ireo tsirambina tamin'ny lasa, nefa tsy takina ny hanaovanao izany amin'ny herin'ny tenanao manokana. Hanampy anao (...) ny anjely. Aza avela ny asa ary aza apetraka ny enta-mavesatra, hazony amim-pahavononana izany ary areno ny tsirambina nataonao hatrizay. (...) Tokony hovitaina ao anatin'ny henemana nomen'Andriamanitra anao izay rehetra azo atao mandritra izany. 

Aoka ianao tsy hangalatra na dia ora iray aza amin'ny ora masin'Andriamanitra.

Fitahiana lehibe tokoa no ampanan-tenaina an' ireo manome tombambidy ambony ny Sabata sy mahatsapa ny andraikitra apetraka aminy momba ny fitandremana izany. "Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehôvah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy (...) Dia hiravoravo amin'i Jehôvah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakôba rainao; fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny." - Isa. 58:13,14. (...)

Tsy misy teny na asa tokony hatao amin'ny Sabata raha toa izany ka fanitsakitsahana ny Sabata masina eo imason'Andriamanitra. Tsy ny hitsaharan'ny vatantsika amin'ny asa ihany no ta-kin'Andriamanitra rehefa Sabata fa takiny koa ny hifehezantsika ny saintsika mba tsy hieritreritra afa-tsy izay zava-masina. - TFC, b. 2, tt. 701-703.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal