Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 27 June 2025

Vakio ny toko faha-43 ao amin'ny MM, "llay Mpijery tsy hita maso."

"Navela hanana anjara lehibe eo amin'ny tantara ny firenen-drehetra, mba hiorim-ponenana eto an-tany sy hahita raha tahiny hanatanteraka ny fikasan'ilay Mpijery sy hany Masina izy ireo. Ny faminaniana dia nanamarika ny fahaterahana sy ny fitomboan'ny fanjakan-dehibe toa an'i Babylona, ny Mediana sy Persiana, ny Grika ary ny Romana. Natao taria miverina tamin'izy ireny tsirairay avy, toy ny tamin'ireo firenena tsy dia manao ahoana loatra ny tantara. Samy tsy nahomby tamin'izay nampanaovina azy ny tsirairay ary samy nahita ny fahafonganan'ny voninahitry ny tenany sy ny fahalevonan'ny heriny avy izy. Koa na dia nandà ny fitsipik'Andriamanitra aza ireny firenena ireny ka nahatonga ny fandevonana ny tenany tamin'izany fomba izany, dia nanara-maso hatrany nandritra ny fotoana rehetra ny zava-nokasainy efa novolavolainy ny Tsitoha." - MM, t. 437.

Manara-maso izay ataon'ny mpanefy tanimanga iray i Jeremia ao amin'ny Jer. 18: volavolainy sy ataony araka izay tiany ny tanimanga. Izany sary an'ohatra izany, ny mpanefy mamolavola ny tanimanga eny an-tanany, no ampiasain'Andriamanitra hoenti-manazava ny fitsipiky ny fananan'ny faminanian'ny Baiboly fepetra. Ary mba hahazoany antoka fa takatsika izay ambarany, dia niteny tamin'ny alalan'i Jeremia Izy, nanao hoe: "Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako; nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko; nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy." Jer. 18:7-10.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Eritrereto ny fanambaran'i Jesôsy fa ho mora kokoa ny hahazo an'i Ninive amin'ny fitsarana raha oharina amin'ireo vahoakan'Andriamanitra izay niala tamin'ny fahamarinana (jereo ny Mat. 12:39-42). Inona ny lesona azon'ny fiangonan'Andriamanitra sintonina avy amin'izany fampitandremana izany?

2. Mariho ny fanambaran'i Ellen G. White hoe "nanao taria miverina (...) ny tantara" ao amin'ireo fanjakan-dehibe nifandimby (MM, t. 437). Inona no hitanao fa itovian'ireo fanjakana lehibe voatanisan'ny faminaniana? Ahoana no nanarahan'izy ireo ny lalana nosoritan'ny faminaniana? Ahoana no anarahan'ity tontolo misy antsika ankehitriny ity koa izany lalana izany?

3. Saintsaino izao: tsy ny saina (ny fahatakarana) matetika no mihazona ny olona tsy hino fa ny fo. Inona no mety ho fiantraikan'ny fahafantarana izany eo amin'ny fomba fijoroanao ho vavolombelona amin'ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal