Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.

Daty
Alatsinainy 30 June 2025

NY TONTOLON-KEVITRA ARA-TANTARA

Rehefa tonga tany Egypta ny fianakavian'i Jakoba noho ny mosary tany Kanana (Gen. 46), dia nandray tsara ny Hebreo ny mpanjakan'i Egypta noho izay rehetra nataon'i Josefa ho an'ny Egyptianina.

"Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tanan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy." - Gen. 41:41-43.

Inona no tsiambaratelo nahombiazan'i Josefa tany Egypta na dia nanom-boka tamin'ny fotoan-tsarotra aza ny flainany tao? (Vakio ny Gen. 37:26-28 sy ny 39:2,21.)

Araka ny tantara dia i Ahmose (1570-1546 TIK) no mpanjaka vaovao resahina ao amin'ny Eks. 1:8, ilay "tsy nahalala an'i Josefa". Nanaraka azy i Amenhotep I (1546-1526 TIK), izay natahotra ny Isiraelita ka nampahory azy ireo. Avy eo, i Thutmose I (1525-1512 TIK) no namoaka didy hamonoana ny zazalahy Hebreo rehetra. Ny zanany vavy Hatshepsut (1503-1482 TIK), no ilay andriambavy nanangana an'i Mosesy ho zanany. I Thutmose III (1504-1450 TIK), izay niara-nanjaka tamin'i Hatshepsut nandritra ny fotoana voafaritra, no Farao ao amin'ny Eksodosy.

Araka ny kajikajy manakaiky ny marina indrindra, dia tamin'ny Marsa 1450 TIK no nanafahana ny zanak'lsiraely tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina (Jereo ny "Exodus, Date of a

Fotoana lava no tantaraina ao amin'ny toko voalohany amin'ny Eksodosy, dia nanomboka tamin'ny andron'i Josefa, rehefa niditra tao Egypta i Jakoba rainy sy ny fianakaviany manontolo, ka hatramin'ny didy famonoana navoakan'ny Farao. Na misy tsy fitovian-kevitra aza ny momba ny isan'ireo taona naharetan'izany marina, ny zava-dehibe dia ity: na andevo tany an-tany hafa aza ny vahoakan Andriamanitra, dia tsy nanadino azy ireo Izy.

Na maro aza ny tsipiriam-piainan'ny Hebreo tany Egypta tamin'izany andro izany. izay tsy mbola fantatsika (jereo ny 1 Kôr. 13:12), ny toetran'Andriamanitra kosa dia mamirapiratra hatrany ao amin'ity boky ity, tahaka ny ao amin'ny Soratra Masina manontolo. Mahazo matoky isika fa na manao ahoana na ahoana fahasarotan'ny toe-javatra, dia eo mandrakariva Andriamanitra, ary afaka mitoky Aminy isika na inona na inona zava-miseho.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal