Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manohana ny asan’Andriamanitra ny mpitantana mahatoky.

Daty
Alatsinainy 30 June 2025

 " Izaho Jehôvah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, ho fanazavana ny jentilisa. " Isa. 42:6.

Mofon’aina:
Naseho ahy fa ny olona sasany izay marani-tsaina sy mitsinjo lavitra ary kinga eo amin’ny fandraharahana ankapobeny, ireo izay miavaka noho ny fahakingana sy ny fahamatorana, dia tsy ampy fitsinjovana mialoha sy fahiratan-tsaina raha ny mahakasika ny fitantanana ny fananany amin’ny fahavelomany. Tsy fantany ny fotoana mety hikatonan’ny androm- pahasoavany tsy ho ela; nefa mamakivaky ny taona mifandimby tsy amim-piheverana momba ny raharahany izy, ary matetika no tapitra ny androny nefa tsy nampiasainy tamim-pahendrena. Mety ho faty tampoka koa izy ireo nefa tsy nahazo fampitandremana (...). Meloka noho ny fanaovana tsirambina ireny mpitantam-pananana tsy mahatoky ireny.

Tokony haneho fahendrena sy fahaiza- mitsinjo lavitra ny Kristianina mino ny fahamarinana ankehitriny. Tsy tokony hanao tsirambina ny fitsinjarana ny fananany izy ireo ka hiandry ny fotoana heveriny fa mety vao handamina ny raharahany raha sanatria izy tratry ny aretina maharitra. (...)

Fianakaviana maro no voaroba fananana ary koa nanjary nahantra noho ny fanaovany an-tsirambina ny asa izay tokony ho nataony tsara tao anatin’ny ora iray. Ireo izay manao didim-pananana dia tsy tokony hikely aina na haneho fahihirana mba hahazoana torohevitry ny mpahay lalàna ary koa mba hanoratana izany amin’ny fomba izay hampitoetra tsara azy na dia mandeha aza ny fotoana.

(...) Nataon’Andriamanitra mpitantana ny fananany ny lehilahy sy ny vehivavy. Napetrany eo an-tanan’izy ireo ny vola natao hampandrosoana ny asa lehibe famonjem-panahy, izay antony nandaozan’i Kristy ny fonenany, ny hareny, ny voninahiny, (...) mba hitondrana ny zanakalahy sy zanakavavy maroben’i Adama ho eo amin’Andriamanitra.

Ny fitondran’ny Tompo no nahatonga Azy hanome baiko mba hanohanana ny asa ao amin’ny tanimboalobony amin’ny alalan’ireo fananana nankininy tamin’ny mpitantana ny fananany. Maneho ny tsy fahatokian’izy ireo sy ny maha-mpanompo malaina azy ny tsirambina kely ataony ho setrin’ny antson’Andriamanitra mba hampandrosoana ny Asany. – TFC, b. 3; tt. 116, 117.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal