Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mila ezaka matotra ny fanoherana ny fahotana.

Daty
Alatsinainy 07 July 2025

" Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny làlan’ny fiainana; fa mivily izay mandà anatra. "Ohab. 10:17.

Mofon’aina:     
Maro no manala tsiny ny fahalemeny ara-panahy sy ny firehetam-pony mivaivay ary ny tsy fahavitany maneho fitiavana amin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ao amin’ny Tompo. Mahatsiaro ho lavitra an’Andriamanitra izy ireo ary koa andevozin’ny tenany sy ny fahotana. Ny faniriany hanao ny asan’Andriamanitra anefa dia miainga amin’ny fironana mandeha ho azy ao aminy fa tsy avy amin’ny faharesen-dahatra lalina avy amin’ny Fanahy Masina. Mihevitra izy fa tsy azo ialana ny lalàn’Andriamanitra nefa tsy mba amin’ny fieritreretana momba ny fanahy tsy maintsy handalo fitsarana no ampitahany ny asany amin’izany lalàna izany. Miaiky izy fa tokony hiankohofana sy hotiavina amin’ny fo rehetra Andriamanitra nefa tsy mba Izy akory no ivon’ny eritreriny rehetra. Mino izy fa tokony hotandremana ny fitsipika mampirisika antsika hitia ny hafa, nefa amin’avonavona mangatsiaka, ary indraindray aza tsy ara-drariny velively no itondrany ny mpiara-miasa aminy. (...)

Ezaka maro mielanelana no natao mba hisian’ny fanavaozana, nefa ireo izay manao izany ezaka izany dia tsy mba manombo ny izahony. Tsy manolo-tena tanteraka ho eo an-tanan’i Kristy izy mba hahazo hery hanatanterahana ny sitrapony. Tsy vonona ny hovolavolaina hitovy amin’Andriamanitra izy. Miaiky ny tsy fahatanterahany izy (...), saingy misy fahotana manokana tsy tiany hafoy. (...)

Tena tian’ny fahavalo tokoa ny hahatanterahan’ireo ezaka mitsitapatapaka ireo, satria tsy mba vonona ny hanohitra ny faharatsiana izay manao izany. Misy fehy fanamaivamaivanana napetraka teo amin’ny sainy, ka amin’ny fitokian-tena no hitadiavany hanao fiaingana vaovao indray hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Tsy mba mitondra fanavaozana anefa ny faharesen-dahatra ny amin’ny ota ankapobeny fotsiny. Mety hanana fahatsapana manjavozavo sy mahatsiravina ny amin’ny tsy fahatanterahantsika isika, saingy tsy hitondra na inona na inona ho antsika izany raha tsy manao ezaka matotra isika handresena ny fahotana. Raha tiantsika ny hiara-miasa amin’i Kristy, ny handresy tahaka ny nandreseny, dia amin’ny alalan’ny heriny no tsy maintsy hanoherantsika mafy indrindra ny izaho sy ny fitiavan-tena. – ST, 11 Marsa 1897.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal