"Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." - Mat. 5:16.
Mofon’aina:
Hisy vokany be lavitra mihoatra noho ny toriteny ny asa mivaingana ataontsika. Tokony hanome hanina ny noana, hampitafy ny mitanjaka sy hampiantrano ny manjenjena isika. Ary antsoina isika hanao mihoatra noho izany. Ny fitiavan' i Kristy ihany no afaka manome izay ilain'ny fanahy. Raha mitoetra ao amintsika i Kristy dia ho feno ny firaisam-po amin'Andriamanitra ny fontsika, ary hisokatra ny loharanon'ny fitiavana midedadeda tahaka ny Azy. (...)
Betsaka ireo efa nilaozan'ny fanan-tenana. Avereno aminy ny fahazavan'ny masoandro. Betsaka no efa kivy. Ilazao teny fampaherezana izy. Mivavaha ho azy. Ao koa ireo izay mila ny mofon' aina. Vakio aminy ny tenin'Andriamanitra. Betsaka no ampijalin'ny aretim-panahy izay tsy mety ho tratry ny balisaman'ny tany, na azon'ny dokotera sitranina. Mivavaha ho an' ireny fanahy ireny, ento eo amin'i Jesôsy izy. Lazao azy fa misy balisama any Gileada ary misy Mpanasitrana mahery any. (...)
Ny tany manontolo izay very ao anatin'ny haizin'ny fahotana, haizin'ny alahelo sy ny fahoriana dia tokony hohazavaina amin'ny fahalalana ny fitiavan'Andriamanitra.
Tsy hanavakavaham-poko na saranga na sokajy, fa natao ho an'ny olona rehetra ny famirapiratan'ny fahazavana avy eo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra.
Tsy maintsy hoentina hatrany amin'ny faran'ny tany ny hafatry ny fanantenana sy ny famindram-po. (...)
Nefa tsy misy olona afaka mizara izay tsy noraisin'ny tenany. Eo amin'ny asan'Andriamanitra dia tsy afaka hamorona na inona na inona ny olombelona. (...). Io no diloilo mijononoka avy amin'ireo mpitondra hafatra any an-danitra ho ao amin'ireo fantsona volamena, hotarihina avy ao amin'ny fitoeran-diloilo volamena ho amin'ny fanaovan-jiro ao amin'ny fitoerana masina; io diloilo volamena io no mahatonga jiro mazava sy mamirapiratra mandrakariva. Io no fitiavan'Andriamanitra mifindra lalan-dava amin'ny olona, ka mahatonga azy ho afaka mizara fahazavana. Ao amin'ny fon'ireo rehetra izay miray amin'Andriamanitra amin'ny finoana no mijononoka malalaka ny diloilo volamenan'ny fitiavana izay hamirapiratra indray amin'ny asa tsara, amin'ny tena fanompoana an'Andriamanitra vokatry ny fo. – HF, tt. 436,437 (ed. 2004).