Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Izao no fotoana hiasana ho an'i Kristy

Daty
Alatsinainy 08 September 2025

 "Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin 'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra." - 2 Tim. 4:1,2.

Mofon’aina:
Nampiasainao tamin' inona ny fanomezana avy amin' Andriamanitra? Nomeny hery manosika hiasa ianao, mba hanehoanao an'i Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana, amin'ny faharetana sy fanantenana ary fiambenana tsy mety sasatra, hiantsoanao ny very mba hibebaka amin'ny fahotany, ary hilazanao ny fampitandremana fa ho avy tsy ho ela i Kristy amin-kery sy voninahitra lehibe.

Raha tsy mifoha sy mandeha miasa any amin' ireo saha misiônera ny mambran'ny fiangonana ankehitriny (...), dia ho tafalatsaka indray ao anatin'ny torimasom-pahafatesana izy ireo. Tamin'ny fomba ahoana no niasan'ny Fanahy Masina tao am-ponao? (...) Tsy nampirisihina ve ianao hampiasa ny talenta nomen'Andriamanitra anao, ka ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tanora dia samy hampiasa ny talentany ho fitoriana ny fahamarinana ho an'izao andro izao, ary hanao ezaka manokana hitety ireo tanàna izay tsy mbola nitoriana mihitsy ny fahamarinana, sy hanandratra avo ny fanevan'ny filazantsara?

Tsy nohatanjahin'ireo fitahiana narotsak'Andriamanitra taminao ve ianao? Tsy nifantsika lalina kokoa tao amin'ny fanahinao ve ny fahamarinana? Tsy hitanao mazava kokoa ve ny lanjan'izany ho an'ireo very tsy manana an'i Kristy? (...)

Nampahafantarin' ny Fanahy Masina anao mazava ireo fahamarinana manan-danja sy iankinan'ny aina ho an'izao andro izao. Hofonosina ka halevina ao ambanin'ny tany ve izany fahalalana izany? Tsia. Tsy maintsy hapetraka any amin'ny mpanàna vola izany. Rehefa mampiasa ny talentany amim-pahatokiana ny olona iray, na kely manao ahoana aza izany, dia alain'ny Fanahy Masina ireo zava-panahy ireo, ka havaoziny indray eo anatrehan'ny saina. Ataon'Andriamanitra ho hery mamelombelona antsika ny Teniny, amin'ny alalan'ny Fanahiny. Velona sy mahery ny Tenin'Andriamanitra, ka miasa amin'ny saina, tsy noho ny fahalalana na ny fahaizan'ny olombelona, fa noho ny fiaraha-miasan' ny herin'Andriamanitra sy ny herin'ny olombelona. Ary Andriamanitra no tokony hoderaina noho ny heriny. -TFC, b. 8, tt. 54,55. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal