Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa ilana ny Fanahy Masina

Daty
Alakamisy 25 September 2025

 "Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny." - Isa. 60:1,2.

Mofon’aina:
Nandany alina manontolo nivavahana tamin'ny Rainy ny Mpanavotra antsika, ary ny vavaka indrindra no fototra nanorenana ny fiangonana kristianina sy ny hetsika misiônera. Niray saina sy toerana ny mpianatra, nitalaho tamin'ny Tompo mba hirotsahan'ny Fanahy Masina amin'izy ireo. 

Na efa mirotsaka mitafotafo amin' ny alalan'ny fantsona maro isan-karazany aza ny Fanahy Masina, dia arakaraka ny itadiavantsika Azy no hahabetsaka ny fatrany. Araka izany, raha miasa - amin-kafanam-po ho famonjem-panahy isika, dia ho voatarika mandrakariva hanavao ny fangatahantsika eo amin' ilay Loharanon'ny hery rehetra; ary toy izany no isian'ny fifandraisan'ny fanahy tsy tapaka amin'Andriamanitra. Manovo mandrakariva ao amin'ny ranon'aina ny finoana, ary tsy mety titra na oviana na oviana izany. (...)

Tena mila fahendrena avy any an-danitra isika! Tsy efa nampanantenaina antsika ve izany? "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin 'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an 'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin 'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin 'ny Tompo izany olona izany" – Jak. 1:5-8. Fanomezan-toky manao ahoana re izany! Feno sy mahafaoka be! (...) Tian'ny Tompo hanatona Azy amin-toky sy finoana tanteraka isika, hahazo antoka ny Teniny fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy.

Raha mba tsapantsika mantsy ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ny mambra tsirairain'ny fiangonana mba hanao zavatra! Tokony ho tsapantsika tsirairay avy ny adidy lehibe amin'ny maha-Kristianina, amin'ny fampiasana ny fananana sy ny fahaizana rehetra nankinin'Andriamanitra tamintsika, ka hanao izay fara herintsika isika ho fanatanterahana ny asa izay andras an ' ny Tompo hataontsika. (...) 

Mila finoana bebe kokoa isika, ary mita hamasinina ny fahaiza-manaontsika. Ambony sy mendrika ny tanjona eo anoloantsika. Tsy manana fotoana na teny holanina foana amin'ny adilahy isika. (...) Mila hamasinina ny herintsika. TSA, U. 43,44. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal