Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò ny lalàn’ny fiainana.

Daty
Alarobia 01 October 2025

"Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra. " Ohab. 4:20-22.

Mofon'aina:

Ny rivotra madio, ny masoandro, ny fahalalana onony, ny fialan-tsasatra, ny fampiasan-tena, ny sakafo ara- dalàna, ny rano, ny fitokisana ny herin’Andriamanitra – ireo no tena fanafody marina. Tokony ho samy fantatra ny momba ireo foto-kevitra entin’ny zavaboary manasitrana ny olona tsirairay sy ny fomba fampiasana azy ireo. Zavatra tena ilaina ny mahafantatra ireo foto-kevitra mifono ao amin’ny fitsaboana ny marary sy ny manana fahazarana eo amin’ny fampiharana ary ny hahaizany mampiasa tsara io fahalalana io.

Marina fa ny fampiasana ny fanafody voajanahary dia mitaky fahamalinana sy fiêzahana betsaka izay tsy mahavonona ny maro ny hanao azy. Miandalana ny fomba fanasitranana voajanahary sy ny fanarenana ny fahasalamana ary toa miadan-doatra izany amin’ireo tsy manam-paharetana. Mitaky fahafoizan-tena koa ny fialana amin’ny fanaranam-po manimba. Nefa amin’ny farany dia ho hita fa manao ny asany amim-pahendrena sy tsara ny natiora raha tsy voahelingelina. Ireo izay mitozo amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny zavaboary dia hijinja ny valisoan’ny fahasalaman’ny vatana sy ny fahasalaman’ny saina.

Matetika no tsy miraharaha firy ny fiarovana ny fahasalamana ny olona, ary hadinony fa aleo lavitra misakana ny aretina tsy ho tonga toy izay manilika ny efa mby an-koditra. Adidin’ny olona tsirairay amin’ny tenany sy ny mpiara- belona aminy ny hahalala ireo lalàna mikasika ny aina ka mankatô izany amin’ny fony tokoa. (...) Tokony ho azony ny fomba fiasan’ny taova isan- karazany sy ny fifandraisan’ireny ka hahatonga fahasalamana ho azy rehetra. Tokony hianarany ay asan’ny saina amin’ny tena sy ny asan’ny tena amin’ny saina, ary ireo lalàna izay mifehy azy ireo.

Tokony hampahatsiarovina antsika lalandava fa tsy miankina amin’ny vintana tsy akory ny fahasalamana. Vokatry ny fankatoavana ny lalàna voasoritra mazava tsara izany. Eken’ireo mpifaninana amin’ny lalao fanatanjahan-tena sy amin’ny fifampitsapan-kery izany. Manao fiomanana amim-pitandremana fatratra ireny olona ireny. Mamola-tena amin’ny fanazarana tomombana sy ny fifehezan-tena henjana izy. Ny fahazarana ara-batana tsirairay dia voatandrina ho ara-dalàna. (...) – TMF, tt. 75-77.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal