Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tomba fiaina mizara fahazavana.

Daty
Sabotsy 04 October 2025

"Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-làlanao, ary ny voninahitr'i Jehôvah ho vodi-làlanao." - Isa. 58:8.

Mofon’aina:
Ireo pasitorantsika dia tokony hahatakatra tsara ny amin'ny fanavaozana ara-pahasalamana. Tokony hahalala ny momba ny toe-batana sy ny fahadiovana izy ireo; tokony ho takatr'izy ireo ny lalàna mifehy ny fiainana ara-batana sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-panahy.

An'arivorivo ireo olona zara raha mahalala ny amin'ny vatana mahatalanjona izay nomen'Andriamanitra azy, sy ny fikarakarana tokony hatao aminy. (...) Misy asa tokony hataon'ireo pasitora momba izany. Rehefa mijoro ny amin'ity Iohahevitra ity izy ireo, dia maro ny voka-tsoa ho azo. Eo amin'ny fiainan'izy ireo manokana sy ao an-tokantranony no tokony hitandremany ny lalàn'ny fiainana, ary tokony hiainany ny foto-kevitra tsara sy ny fomba fiaina ara-pahasalamana. Rehefa izany dia ho afaka miresaka araka ny tokony ho izy momba io lohahevitra io izy ireo, ka hitarika olona hisondrotra hatrany hatrany eo amin'ny asa fanavaozana. (... )

Fitahiana sarobidy sy fanandramana betsaka no ho voaray raha ampiarahin' ny pasitora amin'ny asa ataony eo anivon'ny fiangonana ny lohahevitra momba ny fahasalamana. Ilaina amin’ny ambaratonga rehetra ny asan’izy ireo. Hanampy azy ireo Andriamanitra ; Izy no hampahery ny mpanompony efa mijoro tsy hovoahozongozona sy tsy hovoatarika hiala amin’ny fahamarinana sy tsy fahitsiana mba handefitra amin’ny fahazaran-dratsy. llain'ny olona ny fahazavana momba ny fanavaozana fanavaozana ara-pahasalamana. Natao antsirambina io asa io ary maro no efa ho faty satria mila ilay fahazavana  izay Tokony noraisiny  ary tsy maintsy raisiny mba hahafahany  mahafoy ny fahazarandratsy feno fitiavan-tena. (…)

Ireo Pasitora sy mpampianatra dia tokony hizara amin'ny hafa izay noraisiny. Ilaina amin’ny ambaratonga rehetra ny asan’izy ireo. Hanampy azy ireo Andriamanitra ; Izy no hampahery ny mpanompony efa mijoro tsy hovoahozongozona sy tsy hovoararika hiala amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana  mba handefitra amin’ny fahazaran-dratsy.

Ny asa fanabeazana eo amin'ny sehatra misionera medikaly dia dingan-davitra iray izay tena manan-danja tokoa eo amin'ny famohazana ny olona hahatsapa ny andraikiny ara-moraly.          Raha notanterahin' ireo pasitora araka ny fahazavana nomen' Andriamanita azy ity asa ity eo anivon'reo departemanta tsirairay voakasik’izany, dia ho nisy fanavaozana miavaka teo amin'ny fomba fihinana sy ny fonte fisotro ary ny fomba fitafy. - CDF, tt. 452,453.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal