Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy fahasalamana fotsiny ihany.

Daty
Alarobia 08 October 2025

"Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany." - Rôm. 12:1.

Mofon’aina:

Raha ireo olona mandray anjara amin’ity sehatr’asa ity [ny tobim-pahasalamana ao Battle Creek] no mitsahatra tsy hijery ny asany amin'ny fombam-pivavahana intsony ka midina miala amin ny foto-kevitry ny fahamarinana ankehitriny mba tahaka ny hevitra sy ny fomba fanaon'ireo olona mpitondra toeram-pitsaboana izay tsy mikendry afa-tsy ny fanasitranana ny marary, dia tsy hitoetra amin' ny toeram-pitsaboantsika ny fitahiana manokana avy amin' Andriamanitra, tahaka ny tsy itoerany amin'ireny toerana izay ampianarana sy ampiharana kevitra mitotongana ireny.

Hitako fa misy asa tena mivelatra izay tsy ho tanteraka ao anatin'ny fotoana fohy, satria tsy mora ny hitady mpitsabo izay ankasitrahan' Andriamanitra sy hiasa hiaraka ao anaty firindrana, amim-pahafoizan-tena jotom-po sy amin-jotopo ho fanamaivanana ny fahorian'ny taranak'olombelona.Tokony hataontsika miharihary eo anatrehantsikamandrakariva fa ny tanjona lehibe kendrena amin'ity asa ity dia tsy fahasalamana ihany, fa fahatanterahana sy ny fanahin'ny fahamasinana, izay tsy ho tratra ao anatin'ny vatana sy saina marary. Izany tanjona izany dia tsy ho tratra amin'ny fomba fiasa araka izao tontolo izao fotsiny. Andriamanitra dia hanangana lehilahy sy vehivavy ary hanofana azy mba hiditra an-tsehatra amin’ny asa, tsy amin'ny maha-mpitsabo ny vatana azy fotsiny, fa hitsabo koa ny fanahy izay mararin'ny fahotana, ary ho ray aman-dreny ara-panahy ho an'ny tanora sy izay mila fanabeazana. (...)

Ireo izay ianjadiam-pahavoazana noho ny fiasana saina be loatra dia tokony hitsahatra ka tsy hieritreritra zava-manahirana. Kanefa ny fampianarana azy fa tsy mampidi-doza mihitsy ny mampiasa betsaka ny herin-tsainy dia hahatonga azy hihevitra fa ratsy lavitra noho ny tena izy ny fahavoazany. (...)

Ireo izay ianjadiam-pahavoazana noho ny fampiasam-batana tafahoatra dia tokony hampihena ny asa ataony, ary tsy hanao afa-tsy izay asa maivana sy mahafinaritra (...) Kanefa ny fampitsaharana tanteraka azy tsy hiasa sy tsy hanao fampiasan-tena mihitsy dia azo antoka fa hitondra voka-dratsy ho azy ireo (...) Ny tsy fanaovana na inona na inona no tena mitera-doza indrindra amin'ny tranga toy izany. (...) - TFC b. 1, tt. 554-556.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal