Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahazarana tsara, mitondra hery.

Daty
Alatsinainy 13 October 2025

"Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra." - 2 Kôr. 7:1.

Mofon’aina:      
Mаго ireo tratry ny harerahan-tsaina be izay tsy nohamaivanin' ny fampiasan-tena. Fitotonganan'ny hery no vokatrizany ka manjary manana fironana handositra andraikitra izy ireo. Ny fanaovana asa vatana amim-pahavitrihana no ilain'izy ireo. Tsy ireo efa fotsy volon'ny taona ihany no tratr'izany; fa latsaka amin'ny toe-javatra toy izany koa ny tanora, ary manjary osa ara-tsaina.

Ny fahazarana feno fahononan-tena hentitra, ampiarahina amin’ny fampiasana ny hozatra sy ny saina, dia hanolokolo herin-tsaina sy ny herim-batana, ka hanome tanjaka maharitra (...) ho an'izay manana fomba fiaina tsy mitaky fampiasam-batana.

Ny pasitora, ny mpampianatra sy ny mpianatra dia tsy manana fahazavan-tsaina araka izay tokony hananany mikasika ny filàna ny fampiasam-batana eny ankalamanjana. Ataon'izy ireo tsirambina io adidy io, izay tena ilaina amin'ny fitandroana ny fahasalamana. Mampifantoka be ny sainy amin'ny fianarana izy ireo, kanefa ny sakafo haniny dia toy ny sakafon'olona miasa vatana. Misy amin'izy ireo tonga matavy noho ny fahazarana toy izany, satria tsentsina ny rafitra ao amin'ny tenany.

Ny sasany kosa tonga mahia sy osa, satria very hery be ny tenany manilika ny sakafo mihoatra.  (...) Raha ampiarahina amin'ny fampiasan-tsaina ny fampiasam-batana,dia ho tsara kokoa ny fikorianan'ny ra, ary ho araka ny tokony ho izy ny fiasan'ny fo, ho voahilika ny singa maloto, ary aina sy hery vao no ho tsapa amin'ny faritra rehetra amin'ny vatana. (...)

Adidintsika eo anatrehan’Andriamanitra ny mihazona ny saina ho madio (...) Raha atokana ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny saina sy ny fo, ka mankatò ny lalàn'Andriamanitra (...) dia ho hita mahatoky amin'ny fepetra takin'ny lanitra isika.

(...) Maro amintsika no vato marokoroko tsy mbola voatefy. Kanefa rehefa entina ho eo amintsika fahamarinan' Andriamanitra, dia voaisotra ny tsy fahatomombanana rehetra, ary vonona ny hamiratra toy ny vato velona ao amin'ny tempolin' ny lanitra isika, izay hampiraisana antsika, tsy amin'ny anjely masina ihany, fa amin'ny Mpanjakan'ny lanitra mihitsy. (...) - CTBH, tt. 160-162.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal