Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery mifehy ny fitiavan-komana

Daty
Alarobia 15 October 2025

"Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin 'ny fanatrehan 'ny Tompo." - Asa. 3:19.

Mofon’aina :
Ny herin'i Kristy no hany afaka manatanteraka ny fanovana ny fo sy ny saina izay tsy maintsy andalovan'ny olona rehetra izay maniry hanana anjara miaraka Aminy amin'ilay fiainam-baovao ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. (...) Tsy maintsy ateraky ny Fanahin' Andriamanitra isika. Izany dia hitarika ho amin'ny fiambenana. Amin'izany dia ho voadio ny fo ary havaozina ny saina, sady homena antsika ny fahafahana vaovao hahalala sy hitia an'Andriamanitra.

(...)Tokony ho fantatry ny vahoakan'Andriamanitra fa ny fanaranam-po amin'ny filana no sakana lehibe indrindra ho an'ny fivoaran'ny saina sy ny fanamasinana ny fanahy. Na eo aza ireo hafatra rehetra torintsika momba ny fanavaozana ara-pahasalamana, dia maro amintsika no mihinana amin'ny fomba tsy araka ny tokony ho izy. Ny fanaranam-po amin'ny filan-dratsy no antony lehibe indrindra mahatonga tsy fahatomombanan'ny vatana sy ny saina (...) Aoka hitoetra ao an-tsain'ny olona izay mikatsaka fahadiovam-panahy fa ao amin'i Kristy no misy ny hery hifehezana ny filana. (...)

Ny hena dia ratsy ho an'ny fahasalaman'ny vatana, ary tokony hianarantsika ny hiala amin'izy ireny. Ireo izay manana fahafahana hampihatra ny fomba fisakafo tsy mihinan-kena, kanefa misafidy ny hanaraka ny fironany, ka mihinana sy  misotro araka izay tiany, dia hirona tsikelikely ho amin'ny tsy firaharahana ny toromarika izay nomen'ny Tompo momba ny lafiny hafa amin'ny fahamarinana ankehitriny, ary ho very ao amin'izy ireo ny fahaiza-manavaka ny fahamarinana; ary azo antoka fa hijinja izay nafafiny izy ireo. (...)

Tohero ny filàna misarika ho amin'izay zavatra manimba. Manompoa ny Tompo amin'ny fahafoizan-tena. (...) Ny Tompo dia maniry ny zanany, na antitra na tanora, hanapa-kevitra ny handà ny filana (...).

Tokony hataontsika ao an-tsaina mandrakariva fa amin'izao andro fizahan-toetra izao dia tsaraina eo anatrehan'ny Tompon'izao rehetra izao isika. Tsy hahafoy ny fironan-dratsy izay manimba anao ve ianao? Mora ny miteny manambara ny finoana; aoka ny asanao feno fandavan-tena no hanamarina fa ianao dia mpankatò ireo fepetra takin' Andriamanitra amin'ny vahoaka nofidiny. - RH, 24 Febroary 1910.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal