Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah

Daty
Alahady 19 October 2025

KOMANDIN'NY MIARAMILAN'I JEHÔVAH 

Vakio ny Jos. 5:13-15. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny tontolon-kevitra manodidina ny nahazoana ny tany Kanana?

Vao avy niampita an'i Jordana ny Isiraely ary niditra ny tanin'ny fahavalo. Eo anoloan'izy ireo ny tanana mimandan'i Jeriko, mihidy mafy ny vavahadiny (Jos. 6:1). Tsy nahafantatra izay tetika hoenti-miady akory ny vahoaka tamin'io fotoana io. Ary ny nampanahy kokoa aza dia tsy nanana afa-tsy antsamotady, lefona, ary zana-tsipika ny Isiraely teo anatrehan'ilay tanana voaro mafy mba hahazaka fahirano mandritra ny fotoana maharitra.

Valiny manjavozavo no azon'i Josoa rehefa nanontany ny mombamomba ilay vahiny hafahafa izy: "Tsia" hoy izy. Ny valin-tenin'ilay vahiny dia manambara fa tsy vonona hiandany na amin'ny andaniny na amin'ny ankilany nofaritan'i Josoa Izy. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny fanontaniana lehibe tokony hipetraka dia tsy hoe miandany amin'i Josoa ve Izy, fa izao kosa: i Josoa ve miandany Aminy?

Ampitahao amin'ny 2 Mpanj. 6:8-17, Neh. 9:6, ary ny Isa. 37:16 ny Jos. 5:14,15. Inona no hitanao eto momba Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehôvah ?

Miavaka tokoa ilay andian-teny hoe: "Komandin'ny miaramilan'i Jehovah" ao amin'ny Baiboly Hebreo, ary ny fitambaran'ny teny hoe "komandy" sy "miaramila" dia manondro mpitari-tafika mandrakariva. Ny teny hoe "tafika" ao amin'ny Soratra Masina dia mety manondro vondrona miaramila, anjely maro, na zavatra eny amin'ny lanitra.

Niseho tamin'i Josoa i Kristy talohan'ny nahatongavany ho nofo, tsy toy ny iray laharana aminy, na toy ny Komandin'ny tafik'Isiraely koa aza, fa amin'ny aha-Komandin'ny tafiky ny anjely Azy, izay tsy hita maso nefa tena misy, izany hoe tafiditra ao anatin'ny ady lehibe lavitra noho ny an'i Josoa tamin'ny Kananita Izy. Ny fihetsik'i Josoa dia manondro mazava ny fahatakarany ny momb Ilay Komandy. Mitovy amin'Andriamanitra Izy, ary niankohoka teo anatrehany mombamomba i Josoa ho mariky ny fanajana lalina Azy sy fivavahana Aminy (Jos. 5:14; Gen. 17:3; 2 Sam. 9:6; 2 Tant. 20:18). Vonona i Josoa handray ny toromarika hoenti-miady, dia tetikady fanafihana, izay ampahany manan-danja amin'ny ady lehibe lavitra izay idiran'llay Andriamanitry ny maro an-tsehatra mihitsy.

Inona ny fampaherezana azontsika, sy tokony horaisintsika, amin'ny fahafantarantsika fa miditra an-tsehatra miaro ny vahoakany ny "Komandin'ny miaramilan'i Jehôvah "?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal